Me Razafimanantsoa Hanitra

> Atao mitovy tantana ny Boriborintany I


  • Alakamisy 28 Novambra 2013

Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka isika izao. Miaina ao anaty rano ny mponina eny amin’ny faritra iva, anisan’izany iny faritra Andavamamba Anatihazo I iny.

Tsy nitazam-potsiny izany fahavoazana mianjady ny mponina eny an-toerana izany ny kandida solombavambahoaka laharana faha-6 natolotry ny ankolafy Ravalomanana ny Me Razafimanantsoa Hanitra sy ireo ekipany. Niara-nifarimbona tamin’ireo mponina teny an-toerana izy ireo omaly, nanao asa tanamaro nanadio ny tanàna. Famafana ny lalana, ny fanalana ny tsentsina amin’ny lakandrano izay mahatonga ny rano hiakatra rehefa avy ny orana, no notanterahana tamin’izany. Rehefa vita ny teny Andavamamba Anatihazo I dia nitohy tetsy amin’ny Complèxe Ampefiloha ny hetsika. Nambaran’ny kandida Me Razafimanantsoa Hanitra fa fitohizan’ny zavatra efa natomboka ary tsy hisy faritra holalovam-potsiny ao anatin’ny Boriborintany I, fa hatao mitovy tantana daholo ary tsy misy hailikilika. Tohizana hatramin’ny farany mandrapahatonga ny tanjona tratrarina, hoy izy ny asa sosialy tahaka izao. Marihina fa hanatanteraka fanompoam-pivavahana ho fangataham-pitahiana amin’Andriamanitra amin’ny fikasana hanasoa ny ao amin’ny Boriborintany I ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana anio alakamisy 28 novambra, ao amin’ny Fjkm Kristy Velona Andavamamba.

 

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT