Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy “Mila mailo isika manomboka izao”


  • Alatsinainy 07 Novambra 2011

“Tsy manakana ny hetsiky ny Rodobe eto Toamasina ny didim-pitondrana navoakan´ny ministeran´ny atitany milaza ny tsy fahazoana manao hetsika politika manerana ny nosy”.

 Izay no nambaran´ny mpitarika ny Rodoben´i Toamasina, nanao ny hetsika fanaony isaky ny sabotsy ao an-tokotanin´ny Magro Tanambao V. Nandritra ity hetsika ity, izay notarihan´ny filoha lefitry ny Rodobe Toamasina Me Rasamimaka Mahefalahy, dia nanambara ity farany fa “mila mailo tanteraka isika manomboka izao, fa mandady ny trambo, mipoitra ny fahavalom-pirenena, miseho masoandro ny dragona hampiady an-trano ny Malagasy. Raha tsy mitandrina mantsy isika, dia ho ady an-trano araka ny fanirian´ireo olona ireo sy ny mpiara-dia aminy no hitranga eto, ka vao mainka ho potika ny firenena sy ny fiainan´ny Malagasy, nefa izy ireo higoka ny harem-pirenena eto ihany”. Nohamafisin´Atoa Robertson Iandro ihany koa izany, ka nanambarany fa “te-hamerina ny tantara ratsy nampiharina teto amintsika efa 53 taona lasa ny olona sasany sy ny mpiray tendro aminy ary ny mpanampy azy ireo ara-bola miafina avy any ivelany.

Tsy hanaiky izany isika Malagasy leo ny fanandevozana sy ny didy jadona. Tohizana ny tolona izay hatao mafimafy kokoa manomboka izao”. Ho an´ireo mpitarika ny vondrona sy fikambanana samy hafa mandrafitra ny Rodoben´i Toamasina koa dia samy nilaza sy nanambara avokoa fa “tsy misy miala eto izany raha tsy tratra ny tanjona napetraka sy nifanaovana sonia tao anatin´ny tondrozotra, dia ny fampodiana ireo sesitany politika rehetra tsy ankanavaka, famoahana ireo gadra politika ary ny famohana ireo onjam-peo nakatona rehetra”. Herinandro hamaritra zavatra maro mantsy ity herinandro ity, hoy hatrany ireo mpitarika ny Rodobe Toamasina, ka mila tsy tara amin´ny zavatra hitranga i Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT