Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy “Aza maka fahavalo namana nisintaka”


  • Talata 11 Oktobra 2011

Nanao ny fihaonana manokana ho azy tao Ambolomadinika ny marainan’ny sabotsy teo, ny ankolafy Ravalomanana.

 “Ny tonga miaraka dia fanombohana, fa ny miasa miaraka no fahombiazana”, hoy ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana. Tamin’izany no nanentanan’ny Me Rasamimaka Mahefalahy ireo mpiara-dia aminy mba tsy haka fahavalo ireo namana nisintaka, fa raiso ho namana sy mpiara-dia hatrany izy ireny hanatevin-daharana, fa diso lalana kely fotsiny ireny noho ny tombontsoa manokana. Izay indrindra no nilazan-dRanaivorajo Fenomanjato, avy amin’ny Vondron’olontsotra, fa “ny tanjona dia ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana, satria mila azy i Madagasikara efa milentika anaty lavaky ny fahantrana izao”.

Rtoa Aurélia Fanja kosa anefa nanantitrantitra ny tokony hahaizana manavaka ny mpamadika sy ny mpanao tanalahy politika ary ireo mpijapy lamasinina, ka tsy ailika izy ireo saingy tsy homena fahefana sy fitantanana. Nandritra ity fihaonana tao Ambolomadinika ity, no nahitana sy nitondran’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina teo, Rakotomanana Gervais, filohan’ny DisTIM hatramin’izao, ka nitondrany ny hafatra fa “ny Andriamanitra tsy andrin’ny hafa tonga ho antsika eto ihany, ary mivonona manomboka izao isika fa tsy maintsy miverina ny tena fampandrosoana satria hivoaka ny marina ary ho avy ny fotoana hakantsika ny nangalarina tamintsika”. Randrianjatovo Henri, Rakotomanjato Rodin, Ralaiseheno Guy Maxime, dia samy nanentana ny mpiara-dia mba hiomana mandrakariva fa “tsy ho ela intsony ny fiavian’i Dada”, ary “mahaiza manavaka ny vary sy ny tsiparifary manomboka izao”.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT