Voatendry omaly Atoa Philibert Hervé Andriamanantsoa izay sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny atitany ho solontenan’ny fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana ao amin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).
Tsy niandry ela fa omaly ihany koa dia niroso tamin’ny fifidianana ny birao ity vaomiera ity ka lany ho filoha, araka ny tombantombana efa nambarantsika teto ihany omaly, ny Me Hery Rakotomanana izay nitantana ny CENI voalohany nandritra ny fitondrana tetezamita. Miverina amin’ny taniny izany ny jiosy. Filoha lefitra kosa Atoa Thierry Rakotonarivo, adminisitratera sivily solontenan’ny antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI. Miroso amin’ny asa amin’izay izany ity vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana ity satria sedra voalohany ho azy ireo ny fifidianana loholona amin’ny 13 desambra ho avy izao. Antenain’ny maro fa ho matotra kokoa noho ireo zokiny roa teo aloha ity CENI vaovao ity ary tena hitondra rivo-baovao marina ny filohany izay mpikambana tao amin’ilay « Groupe des experts nationaux » na fikambanan’ireo manampahaizana sy be traikefa tena nanakiana mafy ny fomba fiasa tamin’ny nitantanana ny fifidianana nisy farany teo teto amintsika. Nampalaza ratsy ny Me Hery Rakotomanana moa ny nanekeny ny nampiasana ny karinem-pokontany nentina nifidy tamin’ny nandaniana ny lalàmpanorenana tamin’ny 2010. Heverina anefa fa efa nandray lesona tamin’ireny ny tenany ary hanitsy ny tsy mety rehetra ary tena mba hahaleotena tokoa amin’ny asa hiantsorohany manaraka izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.