Nitohy hatrany ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandida solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa laharana faha-6 izay natolotry ny movansy Ravalomanana ao amin’ny Boriborintany voalohany, niaraka tamin’ireo ekipany.
Tetsy Ampefiloha izy ireo omaly nanolotra mari-pitiavana ireo zokiolona mahatratra 250 ao anatin’ny Boriborintany voalohany. Ny fanamby apetrakay, hoy ny Me Hanitra dia hitondra avo ny faneva mba tsy ataon’ny olona fitaovana politika intsony ny Boriborintany voalohany. Nesoriko ny akanjo amin’ny maha mpisolovava ahy fa hisolovava ny vahoaka ny tenako, hoy izy. Mampanantena ny tenako, hoy izy ho an’ny Boriborintany voalohany fa vonona tena vonona hitondra ny hetahetanareo any amin’ny Antenimieram-pirenena. Miaina am-pototry ny mazava isika, ka ny Me Hanitra vonona hitondra ny mazava na ara-tsaina na ara-pahasalamana. Taorian’izay dia nihazo an-tongotra an’Isotry nandalo teny Tsaralalàna, nitohy teny Ambondrona, Faravohitra, Ankadivato, Anjezika ity kandida solombavambahoaka ao amin’ny boriborintany I ity. Tam-pitiavana tanteraka no nandraisan’ny olona azy ireo tamin’ireo toerana nandalovana rehetra.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.