Me Hanitra Razafimanantsoa

> Vonona hiaro ny safidy n’inon-kidoana n’inon-kihatra


  • Alakamisy 26 Desambra 2013


Voaporofo izao ny tatitra azonay folo andro nialohan’ny fifidianana natao ny 20 deasambra teo iny, hoy i Me Hanitra Razafimanantsoa tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny talata teo fa hoe hanao izay fomba rehetra azony atao hampandresena ny kandidà Hery Vaovao ny mpomba azy sy ny fitondra tetezamitan-dRajoelina ka izao hitantsika izao fa hala-bato be vata no miseho lany manerana ny Nosy. Misy tsikombakomban’ny CENI-T ao anatin’izy ireny, hoy izy. Tsy manaiky izany isika fa ny safidy tsy maintsy arovana na inon-kidona na inona hitranga, hoy ity mpahay lalàna mpanao politika ity, fa raha ny PV rehetra efa azo hatreto dia mandresy lavitra be ny kandidà Robinson Jean Louis. Ndao hamondrona hery fa izay no fandresentsika,  fa ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra ka tongava daholo ao amin’ny QG izay manana porofo amin’ireny halatra be vata ireny, hoy hatrany i Me Hanitra.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT