Araka ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara tetsy Anosy omaly dia afaka madiodio tamin’ny raharaha nitoriana azy ny MCT Rarison Hilarion.
Afa-po ny tenako, hoy izy, satria nivaly araka izay nangatahan’ny mpisolovava ahy ny didim-pitsarana. Hisaorako ny fitsarana, hoy izy, hisaorako ny fampanoavana. Misaotra ny filohan’ny CES koa aho fa tena nijoro ho raiamandreny izy tamin’ity raharaha ity, izy izay nanambara fa tsy nitory ahy velively. Ny tenako rahateo dia fatra-pandala ny fihavanana Malagasy, hoy ity MCT izay kandidà solombavambahoaka ao Fianarantsoa I ity. Farany, izaho hoy izy, dia mbola vonona hatrany ny hanohy ny tolona ao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ary tsy hitsahatra amin’izany raha tsy tafody an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Toy ny tamin’ny fotoam-pitsarana dia vavaka fisaorana an’Andriamanitra no niarahan’ny mpanotrona nanao niaraka taminy raha vantany vao tafavoaka ny efitrano fitsarana izy ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.