MCT Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato

> “Toetra tsy mendrika no nasehon’ny CENI-T”


  • Zoma 10 Janoary 2014

Manamafy ny tenin’ny MCT Randrianasolondrabe Eric teto amin’ny Tia tanindrazana omaly ny tenako, hoy ny MCT Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, amin’ny tokony ho namoahan’ny CENI-T ampaham-bokatra voalohany teto Antananarivo Renivohitra izay tonga aloha hatrany eny amin’ny SRMV sy teny amin’ny foibe toeran-dry zareo eny Alarobia noho ny toerana akaiky sy azo andehanan-tongotra aza ny sasany.

 

Hatramin’izay nahatsiarovako tena ka nandraisako anjara tamin’ny fifidianana teto amin’ity Nosy ity, hoy hatrany ny MCT Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato, dia tsy maintsy ny vokatra eto Antananarivo Renivohitra foana no mivoaka mialoha indrindra ary lôjika izany ka izay mitarika eo no tsy maintsy tafavoaka amin’ny ankapobeny. Azo ambara fa nampiseho toetra tsy mendrika ny CENI-T tsy mba nanaraka izany lojika izany satria efa fantany fa nitarika tamin’ny isam-bato betsaka hatrany ny kandidà Robinson Jean Louis teto Antananarivo Renivohitra ka ilay hanambara azy ho mitarika izay mihitsy no tsy lanin’ny vavonin-dry zareo tao Alarobia. Raha resaka fizotry ny fifidianana farany teo, dia nambaran’ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy ao amin’ny Boriborintany faha-2 ity, fa tsy mahagaga ny hala-bato bevata niseho nanerana ny Nosy. Maro tamin’ireo mpitantana ny biraom-pifidianana tamin’ny fihodinana voalohany no nosoloina olona azo nobaikon’ny fitondram-panjakana hikarakara ny vato ho an’ny kandidàny niaraka tamin’ny filoham-pokontany maromaro ihany koa. Niteraka disadisa teny anivon’ny toeram-pandatsaham-bato izany. Aminay, hoy ny MCT Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato, dia tokony hohamarinina daholo ireo biletà nampiasaina isaky ny birao fandatsaham-bato sy ireo tsy nampiasaina fa tena betsaka no nifandipadipatra.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT