MCT Eric Antsohihy

> Nahavita be Rtoa Atallah Béatrice


  • Alakamisy 09 Janoary 2014

Mbola nohamafisin’ny MCT Hilarion Rarison tetsy amin’ny Magro Behoririka fa tsy mihemotra amin’ny fiarovana ny safidiny ny mpomba ny kandidŕ Robinson Jean Louis n’inon-kidona, n’inon-kitranga.

Ary satria tsy ny Zanak’i Dada na ny ankolafy Ravalomanana irery intsony no miaro io safidy io fa miampy an’ireo nanohana ny kandidà Robinson tamin’ny fihodinana faharoa ka dia mitatra amin’ny anaran’ny “Komity miaro ny safidim-bahoaka” koa izany no hitenenan’ireo mitondra hevitra mahakasika izany ao amin’ity kianja ity, hoy izy. Mbola nohamafisin’ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity koa fa atokisana ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fiatrehany dinika an-databatra boribory miaraka amin’ny Troika-SADC sy ny Vondrona Afrikanina ka miandry am-pahatoniana izany ny mpitolona fa tsy hisy hivoaka ny vala eto. Tsotra sy fohy ary nazava kosa ny hafatra nentin’ny MCT Randrianasolondrabe Eric ny amin’ny tokony hifampatokisan’ny samy mpitolona amin’ny fiatrehana ny hetsika ao amin’ity kianjan’i Magro Behoririka ity ho fiarovana ny safidy natao. Misaotra an-dRtoa Atallah Béatrice filohan’ny CENI-T koa aho, hoy izy, nahavita ny adidy nampiandraiketana azy tamin’ny fankatoavana sy fanohanana ny “patron”–ny amin’ny maha mpanolotsainan’Ingahy Hery Rajaonarimampianina azy tamin’ity farany minisitra. Hisaorana ihany koa ianao Rtoa, hoy izy, tsy mba nahavita akory nampitarika an’isa an’i Dr Robinson Jean Louis na dia tany am-piandohan’ny fanisana vato monja aza nefa dia ireo vato teto Antananarivo Renivohitra no tsy maintsy tonga voalohany ary teto no nitarihan’ny kandidà Dr Robinson mazava be.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT