Mbola tsy tonga saina ihany ve ny CENI ?

Tsy nisy kandida tonga tamin'ilay fampiantsoana


  • Talata 19 Septambra 2023

Tsy nisy kandida tonga na iray aza omaly nandritry ny fampanantsoin’ny CENI ireo kandida ho filoham-pirenena hifampidinihana ny zotra-pifidianana amin’izao fotoana izao.

Nahanjahanjan’ireo kandida teo ity Vaomiera tsy mety maharesy lahatra ny maro nandritry ny fifidianana nisy teto amin’ny firenena ho mahaleontena amin’ny resaka fikarakarana fifidianana ity omaly, tetsy amin’ny foibeny etsy Alarobia. Kandida miisa 2, izay efa nampoizina ihany no nahatonga solontena hihaona tamin’ity vaomiera ity dia ny solontenan’ny kandida laharana faha 3, Andry Nirina Rajoelina, sy ny an’ny faha 11, Sedson Daniela Raderanirina. Liana amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ny mpanara-baovao ny amin’ny antony tsy hiraisan’ity kandida faha 11 ity hina amin’ireo kandida miisa 11 hafa izay manamafy hatrany ny fanoheran’izy ireo ny karazana endrika fanitsakitsahana lalàmpanorenana ao anatin’izao fikarakarana fifidianana izao. Isan’ny voalaza ao anatin’izany moa ny tsy fanekena ny firotsahan-kofidian’ny kandida laharana faha 3, noho ity farany, izay nambara sy noporofoina hatrany fa efa lasa frantsay tanteraka fa tsy malagasy intsony, noho izy nangataka izany zom-pirenena izany ny taona 2014 nefa efa olon-dehibe ampy taona na “majeur” ka dia niharan’ny lalàna momba ny fiofoana na “naturalisation”. Toherin’ny firaisankinan’ireto kandida ireto ihany koa ny fomba nanomezana fahefana ny praiminisitra Ntsay sy ny governemantany ho filoham-panjakana vonjimaika hitantana mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana. Mitsipaka tanteraka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC, araka izany, hatreto ireto kandida ho filoham-pirenena miisa 11 ireto.
J. Mirija

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT