Mbola tsy hita popoka ny PDS

Misy resaka maro mampiahiahy…


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

tsy mbola hita popoka hatramin’izao ny Filohan’ny Delegasionina manokana na ny PDS eto amin’ny

 

 

tanànan’Antananarivo Atoa Ramanambitana Richard. Ny 22 jolay teo tao anatin’ny fanombohan’ny Fivorian’ny mpanolontsaina Monisipaly no efa nisy ny fanamarihana nataon-dRtoa Lalatiana Ravololomanana fa tsy hita mihitsy. Efa amam-bolana no tsy dia tazana ny PDS, siosion-dresaka no re fa tsy misy fampahafantarana ny tsy maha eo azy, hoy io mpanolontsaina Monisipaly io tamin’izany. Manan-jo hahafantatra ny momba ny mpitantana azy ny vahoaka, hoy ny mpanolontsaina monisipaly hafa. Ny 24 jolay lasa teo nandritra ny fametrahana samboadin’ireo depiote IRD sasany lany teto amin’ny Faritanin’Antananarivo no nilazan’ny Sekretera Jeneralin’ny Kaominina Antananarivo Rtoa Lala Andrianambony Clara, fa naniry ny ho avy ny PDS saingy mbola mamita iraka any ivelany, ary nolazaina fa salama tsara. Tapa-bolana aty aoriana, mbola tsy tazana ny PDS ka mampametra-panontaniana hoe : iraka tahaka ny ahoana loatra ary izany ilay ataony any ivelany ? Firenena aiza ? Tsy tena misy fampahafantarana sy fampahalalam-baovao ofisialy, kanefa sosotra sy tezitra ny mpitantana, ka milaza fa vaovao diso sy fanimbana fiainan’olona rehefa mivoaka ny resabe samihafa. Zon’ny mpitantana na ny olom-panjakana samihafa ny mandeha any amin’izay tiany haleha, saingy hafahafa ihany raha am-bolana tsy tazana, ka betsaka no maneho fa tranga ara-politika mampiahiahy io miseho io. Ankatoky ny fifidianana ben’ny tanàna raha ho voatazona ny tolo-kevitry ny CENI ka misy hidirany amin’izany ve ? Dia mivoaka indray ny resaka sy ny loharanom-baovao tsy ofisialy samihafa. Nisy gazety eto an-toerana ohatra nilaza tapa-bolana lasa izay fa marary ka nitsabo tena any ivelany (EVASAN) ny PDS, ao ny miteny fa manohintohina ny tombotsoan’ny matretre ka nisy nanapoizinana sy namosavy, ao koa ny mivoy fa noho ny raharaha fitantanana ara-bola manodidina ny 10 miliara Ar tao amin’ny Kaominina dia lasa nitsoaka any ivelany, … ? Mandeha hatramin’ny hoe : efa hitadiavana solony ? Ny vaovao ofisialy no afaka mandiso sy manamarika an’ireny, saingy hatreto tsy misy intsony ny fampahafantarana ofisialy taorian’ny filazana fa nanao iraka any ivelany, ka toa samy milaza izay tiany tenenina ny rehetra, rehefa tsy miteny ny voakasika. Tsy azo hamaivanina anefa ireo resaka samihafa ireo ! Toa efa fanaon’ny mpitondra ankehitriny ihany koa moa io manitatra dia io rehefa makany ivelany, ary ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra rahateo isika, ka samy valalanina eto ny rehetra. Na izany aza dia tena mahalasa saina io tsy fahitana ny PDS Ramanambitana io. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra anefa io iaraha-mahita io fa tena ambony ambany tanteraka kanefa ny tompon’andraikitra voalohany tsy hita sy tsy tazana maharitra. Ombay mitady !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT