Politique

Mbola misaina ihany ve e ? Adilahy politika no nanapahana ny RN2


  • Talata 04 Aprily 2023

Raikitra ny fanaovana saka sy voalavo teo amin’ny mpitandro filaminana iraky ny Fanjakana sy ny Filoha teo aloha sy ireo mpiara-dia aminy omaly tany amin’ny RN2.

Voasakana tany Sambaina indray I Marc Ravalomanana omaly, raha handeha hihaona tamin’ireo mpiara-dia aminy tao Sambaina sy Manjakandriana. Raikitra ny fifanazavana sy ny fifamaliana teo amin’ireo depiote TIM sy ny mpitandro filaminana, ka nilaza aza iretsy voalohany, fa ny lalàmpanorenana no manome fahafahana ny olom-pirenena iray handeha amin’izay toerana tiany haleha. Tsy nanaiky lembenenana kosa ny andaniny, fa nandrara sy tsy namela ny fiara nitondra ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Vokany, voabahana teo ny arabe, tsy afa-nandeha ny fiara rehetra nandritra ny fotoana naharitra, nitohana izay tsy izy ny fiara tamin’iny Ambohimahandry iny. Fahatahorana sy hetraketraka amin’ingahy Marc Ravalomanana no nanaovana sorona ny mpampiasa ny RN2 omaly. Ity farany izay nisafidy ny handeha an-tongotra rehefa nobahanana, fa ny rehetra niara-lasibatra teo, ary maro ihany koa ny olona nisafidy handeha an-tongotra,... Tsy nisy fieritreretana mihitsy ny vahoaka mpampiasa làlana kanefa mba olona manana ny asa sy andraikitra sahaniny ireo vahoaka nampijalinareo noho ny antony ara-politika mety tsy misy hidirany ireo. Ara-politika, ny fanakanana an-dRavalomanana amin’izay alehany ve no hampitombo ny fitiavan’ny olona ny Fitondrana Rajoelina sa vao mainka ho poizina? Ny faran’ny herinandro teo, nisy ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny atitany Atoa Tokely Justin fa voarara avokoa manomboka izao ny famoriam-bahoaka ankalamanjana sy an-dalambe na ho an’ny antoko mpanohitra na mpanohana fitondrana. Notsipihina fa malalaka amin’ny fanaovana izany kosa ny olom-panjakana. Io fanapahan-kevitra io izay niteraka fanamelohana avy amin’ny antoko samihafa, ary sokajiana ho efa tetikady ara-politika sy ara-pifidianana sy hanembatsembanana ny hafa sy hanomezana tombondahiny ny fitondrana. Lazaina fa voarara ny famoriam-bahoaka an-dalambe kanefa olona eny amin’ny làlam-pirenena no nosakanana dia lasa niteraka diabe an-dalambe, niteraka fanembatsembanana ny daholobe mpampiasa làlam-pirenena,… Tena izao ve sisa no fomba fiasa sy fiady hoenti-mitondra ny raharaham-pirenena sy ny politika? Sao dia mba efa tena diso iva lenta sy mirefarefa amin’ny tany? Mbola zavatra am-pisainana ihany ve sa dia efa toton’ondry bory e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT