Politique

Mba tsy hisian’ny korontana « Tokony angonina ny hetahetan’ireo mpanao politika »


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Tsy misy izay tsy manahy korontana ny rehetra manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.

Hanampy trotraka izany ny mety hisian’ny fifidianana izay tsy mangaraharaha fa mitanila raha hisy izany, antony nanehoan’ny pastera Heritiana Randriarimalala ny heviny omaly. Nambarany fa tsy tsara intsony ny hisian’ny korontana eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny vahoaka madinika mantsy hoy izy no tena hahita faisana amin’izany fa ho an’ireo mpanao politika kosa dia efa manan-trano sy volabe izy ireo ka afaka mialokaloka soamantsara any ivelany. Miantso ny Fitondram-panjakana mba handray sy hihaino ny hetahetan’ny antoko politika rehetra araka izany ny tenany. Hahay hijery ny marimaritra iraisana ihany koa na ho tonga aza ny fotoana hanaovana ny fifidianana hahafahana mampihena betsaka tsy fahatokisan’ny olom-pirenena ny resaka hala-bato. Notsiahiviny hatrany moa ho an’ny mpitondra fanjakana fa tsy mety ny mandeha amin’ny herin’ny tena sy ny fahaizana ary ny fahalalana. Tsy misy afa-tsy ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra no tena zava-dehibe hoy izy ary raha ilaina aza dia mpanompon’Andriamanitra no tokony hametrahana fitokisana hanolo-tsaina sy hanosika am-bavaka mba hitondra vokatsoa ho an’ny firenena.
Legende : Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ny Pastera Heritiana, mpitarika ny Vahao ny Oloko
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT