Politique

Mba hahamaro mpanotrona ny Filoha Raikitra indray fanjonoana olona amin’ny « Tombola »


  • Alakamisy 25 Mey 2023

Tsy finiavana hitsikera sy hanakiana, fa toa isehoana toe-javatra kisampontsampona hatrany amin’ny fitantanan’ny TGV-MAPAR ny firenena.

Mila ho isan’andro ny trangan-javatra miteraka resabe miainga amin’ny fomba fiasa, fanapahan-kevitra, toetra amam-pihetsika,… Mandeha fanamboarana « autoroute » adihevitra be noho ny fomba fiasa toa ny sarety no lasa alohan’ny omby. Mandeha fanomanana ny lalaon’ny Nosy, feno kiana mivaivay noho ny petatoko, toa lasa misy fanalam-baraka ny firenena, toa tsy i Madagasikara no hasongadina fa ny loko politika, hany ka betsaka no tsy mandeha amin’ny laoniny,… Io indray ny peta-drindrina fanentanana ny olona ho avy hanotrona ny fahatongavan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina any Maroantsetra ny 3 jona izao no nolaroina sarisary maro milaza fa hisy Tombola 5 karazana (Fitotoam-bary, moto, omby, kits solaires, finday) ho an’ireo izay tsara vitana, ankoatra ny mpanakanto hanafana lanonana. Filoham-pirenena izay andrim-panjakana no resaka eto, fa tsy olon-tsotra, saingy ny endriky ny sary sy ny fanentanana, ary ny zavatra ampiarahana aminy aloha, dia toa lasa mivaona tanteraka. Raha ny sary ara-politika, dia mitory fa efa tena latsaka ambany ilay Filoha sy ny fitondrana tarihiny, ka tambatambazana amin’ny resaka Tombola sisa ny olona hanotrona azy, hanomezana sary politika, fa tena mbola be mpanotrona sy maro mpanotrona. Tena i Andry Rajoelina ve anefa no antony hahatongavan’ny olona sa sao mba hitsikian’ny vintana amin’ny Tombola? Ary mby aiza marina moa no tohiny mikasika ilay Tombola nahazoana trano nandritra ny fankalazana ny 26 jona teny Mahamasina herintaona lasa? Maro ihany koa moa ny kiana ankehitriny hoe: noho ny kajy politika hiatrehana ny fifidianana ve dia lasa manao ny tsy fanaony mihitsy sy ny tsy asany mihitsy ilay Filoham-pirenena mba hanehoana fa miasa sy akaiky vahoaka? Rehefa avy nizara riz cantonais, nizara ny kilalao avy Samaritan's Purse nampiady hevitra, nietry tamin’ny resaka fanomanana lalaon’ny Nosy,… dia atao peta-drindrina any anaty Tombola indray izao ?


Ny zava-miseho ankehitriny, dia maneho fa may ny endim-boanjon’ny mpitondra satria akaiky ny fifidianana, ka toa samy manao izay saim-pantany, ny sasany toa manao ny tsy asany. Ny fampianarana ezahina lokoina volomboasary ny mpampianatra, ny sefom-pokontany salorana t-shirt volomboasary, ny Minisitry ny asa tànana lasa mpizara karatany tany Toamasina, ny minisitry ny atitany mandeha manotrona fizarana jiro cobra tany Sofia,… Tsy finiavana hanakiana fa tena izay ve no asan’izy ireny?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT