Politique

Maurice Beranto Tsy tokony hirotorotoana ny fifidianana


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Ny famahana ny olana eto amin’ny firenena no tokony ho laharam-pahamehana raha ny fahitan’ny antoko FIDEM (Fiombonan’ny Demokraty Malagasy) ny zava-misy.

 Ao anatin’izany ny fametrahana fitoniana. Raha izay fitoniana izay anefa dia tsy mbola misy eto amintsika. Eo koa ny tsy fandriampahalemana, ny fahantrana, ny tsy fisiana filaminana. Ankoatra izay dia fanontaniana mipetraka hatrany koa ny momba ny fitsarana, ny sehatry ny fanabeazana izay mbola tena misavoritaka tanteraka. Amin’izao fahantrana be manjo ny olona izao manko, araka ny fanazavana dia tsy hisy fifidianana hiditra ao an-dohan’ny olona. Ireo rehetra ireo no tokony hahamaika, hoy i Maurice Beranto, fa tsy ny fifidianana. Marina, hoy ny FIDEM fa raha demokraty dia tokony hiafara amina fifidianana ny tetezamita saingy mbola betsaka no tsy milamina eto amintsika.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT