Raha te hiaina ny demokrasia isika eto Madagasikara dia tokony hisy ny mpanohitra ao amin`ny antenimieram-pirenena. Nitondra ny heviny i Masy Goulamaly,
solombavambahoakan`i Madagasikara voafidy tany Tsihombe fa tena ilaina ny fanoherana saingy kosa tsy mpanohitra be fahatany. Nilaza izy fa misy ny manely tsaho fa i anona no mitondra ny firenena ka tsy maintsy toherina ny heviny. Diso izany, hoy izy, satria ny fanoherana dia ny ahazoana arofanina ho an`ny firenena. Nambarany fa tokony hifampihaino na dia vitsy ny mpanohitra, mba tsy hisian`ny fifandonana. Hatreto, misy ny mpanohitra dia ny antoko TIM. Ny zavatra azo tsoahina kosa, hoy izy, dia misy foana ny fifampiresahana. Nohamafisiny hatrany fa ny Vondrona Parlemantera ho an`ny Repoblika (GPR) dia mijoro hatrany ho hery afovoany. Hevitra no arahin`izy ireo fa tsy ny olona. Ho an`i Masy Goulamaly manokana, tsy hanohitra fanjakana izy fa maneho hevitra satria tsy miandany akory ny GPR.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.