Tsy mahaleotena irery ny vehivavy any am-boalohany, amin’ny ankapobeny, raha hiditra eo amin’ny sehatra ara-pôlitika, araka ny fandinihan-dRtoa Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Tsihombe,
fa ny antoko pôlitika no manosika azy. Noho izany indrindra dia mieritreritra ny handroso tolo-dalàna hodinihina eo anivon’ny antenimieram-pirenena izy hifandanja ny isan’ny lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny antoko pôlitika. Tokony ho vehivavy ny 40% ao anatin’ny lisitra aroso, hoy izy, ary hatao tolo-dalàna mihitsy izany. Toy izany koa ny isan’ny vehivavy miasa any amin’ny orinasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, araka ny heviny hatrany, mba hampandraisana andraikitra bebe kokoa ny vehivavy. Nomarihiny fa na manao asa mitovy aza ny vehivavy sy ny lehilahy dia matetika no kely kokoa ny karama raisin’ny vehivavy. Araka izany dia anisan’ny hiadian’ity depiote ity ny hampanjakana ny miralenta eto amintsika. Izy rahateo no filohan’ny vaomiera momba ny miralenta sy ny fampandrosoana, ao anatin’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny. Masoivohon’ny WIP (Woman In Parliament) ho an’i Madagasikara, izay ikambanan’ireo vehivavy parlemantera manerana ny firenena maro ihany koa izy. Ankoatra izay moa dia manana eritreritra ny hikarakara fihaonambe ho an’ireo vehivavy mpitarika maneran-tany ny tenany ka eto amintsika no hanatanterahana azy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.