Masoivohon’i Frantsa nitsidika an’i Morondava

Jerena izay azo hiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana…


  • Alarobia 28 Mey 2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Masoivohon’ny Repoblika Frantsay monina sy miasa eto Madagasikara Arnaud Guillois, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Tonga nanotrona azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Morondava ireo manam-pahefana avy amin’ny Faritra Menabe, ka ny Talen’ny Kabinetra no nisolo tena ny Governoran’ny Faritra nandritra ny lanonam-pitsenana. Tao anatin’ity fitsidihana ity no nanatanterahana dinika niarahana tamin’ny solontenan’ny fitondrana sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra amin’ny sehatra manampy amin’ny fampandrosoana ny Distrikan’i Morondava. Nisongadina tamin’ny fandaharam-potoanany ihany koa ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa manabe toy ny sekoly sy ny tranomboky ao amin’ny Alliance Française Morondava, izay anisan’ny sehatra iaraha-miasa amin’ny fanamafisana ny kolontsaina sy ny fahaiza-miteny amin’ny teny frantsay eto an-toerana.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT