Politique

Masoivoho Frantsay Veronique Vouland Nanao veloma ny praiminisitra Ntsay Christian


  • Zoma 19 Jolay 2019

Noraisin’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta Ntsay Christian tao Mahazoarivo ny Ambasadaoro Frantsay izay niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland-Aneini omaly.

 

 

 Nanao fitsidihana fametraham-beloma noho ny fahataperan’ny fe-potoana niasany teto. Nivoitra tamin’ny lahatenin’i Veronique Vouland- Aneini nandritra ny fiarahabany ny praiminisitra tamin’ny andraikitra lehibe notanany tao anatin’ny taona 2018, izay nila nandraisana fanapahan-kevitra ka nahafahan’ny firenena niatrika izany fotoan-tsarotra izany. Nambaran’ity masoivoho ity ihany koa fa maro ny tranga izay nanamarika azy nandritra ny efatra taona niasany teto Madagasikara ka anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay, izay nampiseho taratra fahombiazan’ny diplaomasia Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa tamin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina samihafa. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT