Politique

Masoivoho Frantsay “ Manan-jo hifidy malalaka izay hitondra azy ny Malagasy


  • Talata 24 Janoary 2023

Naneho ny heviny mikasika ny fifandraisan’ny firenena malagasy sy i Lafrantsa ankehitriny teny amin’ny fonenany etsy Ivandry omaly alatsinainy 23 janoary 2023 ny masoivoho Frantsay miasa eto amintsika, Arnaud Guillois.

Nilaza ny tenany fa ankoatry ny filoham-pirenena dia efa saika nihaona taminy ihany avokoa ireo mpisehatra maro eto amin’ny firenena amin’ny sehatra rehetra hatramin’ireo mpitantana orinasa sy mpisehatra ara-kolontsaina. Toy izany koa ireo mpisehatra amin’ny zon’olombelona sy tontolo iainana miara-miasa amin’i Lafrantsa an-taonany mora. Mafy orina, maro lafy ary mifantoka amin’ny hoavy ny fifandraisan’I Madagasikara sy Frantsa, hoy izy, raha ny hitako hatreto. Zava-dehibe amiko, noho izany, ny mamantatra ireo malagasy 30 tapitrisa ary hiezaka aho hanao fitetezam-paritra fara-faha keliny in-dray mandeha isam-bolana. Mbola avy amin’ny Frantsay ny 40%n’ny famatsiana mivantana avy any ivelany eto. Asa miisa 20.000 no anay eto ao anatin’ny sehatra ara-dalàna. Tsy zavatra kely izany, hoy i Arnaud Guillois . Faly mandray anjara amin’ny fampandrosoana sy fanofanana ny namanay Malagasy izahay. Zava-dehibe ho an’I Madagasikara ity taona ity. Manan-jo hifidy malalaka izay hitondra azy ny Malagasy, hoy izy. Fanomanana, fanatontosana, fanekena ny fitsipiky ny demokrasia no zava-dehibe ary izahay tsy hitsabaka amin’ny fifidianana eto Madagasikara. Mikasika ireo nosy manodidina dia efa nisy komisionina iraisana in-dray teto tamin’ny novambra 2021. Noeritreretina hisy faharoa ny taona 2022. Mbola resaka avo lenta ka tsy afaka mamaritra mialoha azy aho, hoy hatrany izy. Raha fehezina dia tsikaritra ho nanao don-tandroka an-kolaka ny amin’ny tsy ahafahantsika miala aminy ny firenena frantsay tamin’ity omaly ity.
J. Mirija
Legende: Ny masoivoho frantsay, Arnaud Guillois
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT