Masoivoho Amerikanina

« Atsaharo ny herisetra sy fandrahonana ary ny hosoka »


  • Zoma 10 Mey 2024

Porofon'ny fahavononana hampihatra ny demokrasia izao dingana lehibe izao,

raha ny nambaran’ny Masoivoho Amerikanina eo anatrehan’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana solombavambahoaka eto Madagasikara. Nanipika anefa izy ireo, fa zava-dehibe ny fanatanterahana ny fifidianana malalaka sy ara-drariny ary am-pilaminana. Noho izany, nanentana ny vahoaka Malagasy handray anjara mavitrika amin’ny fidianana ny bekintana, saingy tokony hizotra am-pilaminana, tsy misy herisetra sy fandrahonana ary hosoka. « Manan-danja lehibe eo amin'ny fifandraisanay maneran-tany ny fampiroboroboana ny soatoavina demokratika, ary manohana ny ezaka rehetra mba hisian'ny fifidianana mangarahara eto Madagasikara izahay », hoy hatrany ny eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina. Noho izany, manao antso avo amin’ny mpitondra sy ireo mpilatsaka hofidiana ary ny olom-pirenena rehetra eto Madagasikara izy ireo mba hanao fampielezan-kevitra am-pilaminana sy mampivoatra izay maneho ny tena fampiharana ny demokrasia sy ny fametrahana fanjakana tan-dalàna. Manara-maso akaiky ny fifidianana sy ny toe-draharaham-pirenena eto ny Amerikanina, ary mahalala zavatra maro. Sarotiny mafy amin’ny resaka fanajana ny demokrasia, ny Fanjakana tan-dalàna, ny zon’olombelona, ary vao tsy ela fa tamin’ny fifampiresahana momba ny fisitrahana ny tsenan’ny AGOA (African Growth Opportinuties Act). Miankina amin’ny fanajana an’ireny mahatsara na maharatsy ny fiaraha-miasa amin’i Etazonia.
Toky R
Sary fanehoana : Ny Ambasadaoron’i Etazonia Rtoa Claire Pierangelo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT