Maso ankavanan’i Andry Raobelina

“Tsy mahita ary mbola manaintaina”


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Mifanipaka amin'ny deontolojian'ny fitsaboana ny famoahana tsiambaratelon'ny marary saingy manana adidy

mamaly izany aho, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Andry Raobelina, namaly ny filazan’ny tomponandraikitra voalohany nitsabo azy farany teo teto Madagasikara fa efa afaka miverina mandray ny asa aman’andraikiny izy. “...Araka izay rehefa natao ny fitsirihana, nisy naratra moa izany ny vodimasony vokatr'io toraka io sy ny foto-masony ankavanana izany….”, hoy ny mpitsabo tanaty horonan-tsary voafafa saingy efa naparitaka, hoy ny fanazavan’ity kandida ity. Rehefa maratra ny foto-maso dia tsy tomombana ny fahitana satria misy fahavoazana ao amin'ny ati-maso, feno rà, maro ireo lalandrà madinika tapaka, rovitra ihany koa ilay rentsika antsoina hoe “membrane de Bruch” mandalo “macula”..., hoy hatrany ny famerenany ny fanazavana. Indro ny taratasy fanamarinana avy aminy ihany mirakitra ny fitsaboana natao ka nanaovany sonia tsy fahafahana miasa mandritry ny 30 andro. Ho avoakako eto ihany koa ny fanamarinana avy amin'ireo mpitsabo ahy aty ivelany. Olona tsy handairan'ny tsindry sy ramatahora isan-karazany. Fehiny, tsy mahita ny masoko ankavanana ary mbola manaintaina ihany koa, hoy hatrany i Andry Raobelina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT