Hanomboka amin’ny fomba ofisialy rahampitso sabotsy 30 novambra ny fampielezan-kevitra ho an’ny kandida Maro Josoa.
Nitafa tamin’ny mpanao gazety nampahafantatra ny momba azy izy omaly. Nambarany fa lehilahy tsy mpivadika amin’ny teny omeny izy. Tsy mpanome toky fitaka, tsy mpanao kobaka am-bava. Kristianina ka matoky ny fitondran’Andriamanitra. Manana fikambanana fototra ny lehilahy izay mihetsiketsika manao izay hampandaniana azy. Antso ataony amin’ny vahoaka ny tokony hiraisana safidy amin’ny olona azo antoka. Tokony havitrika amin’ny fanehoana ny safidy ny vahoaka, hoy izy satria fifidianana manakaiky ny vahoaka no atao. Mampiavaka ny kandida amin’ireo kandida mpifaninana aminy ny maha mpikambana azy amin’ny fikambanana mpanao asa soa. Vonona ny handresy ny tenany ary manantena fa any aminy ny safidin’ny vahoaka. Hafana, araka izany, ny fampielezan-kevitra satria samy manambara toy izany avokoa izy 29 mianadahy mifaninana ao Ambatondrazaka.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.