Politique

Marefo sy ho rendrika ny Fitondrana Miantso fikaonandoham-pirenena ny MMM


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

Miova tsikelikely ny sary politika mialohan’ny fifidianana. Nanambara ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivelo,

fa marefo ny fahefam-panjakana ankehitriny manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao, mazava fa misy zavatra tsy mandeha eto satria mivoaka daholo ny antontan’isa ka tokony hifampidinihana,... Isan’izany ny nilazan’ny Banky Iraisam-pirenena fa 80,2% ny tahan’ny mahantra. 75 ilay izy, lasa 80%. Ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena tamin’ny 2021 dia 4,4%, amin’ity 2022 ity vinavinaina ho hotonga any amin’ny 2,8%, nihemotra izany isika, ka na inona na inona fomba filaza, dia tompon’andraikitra ny Fitondrana, hoy Atoa Hajo Andrianainarivelo. Ara-politika, naneho fa tokony hirosoana ny fikaonandoham-pirenena hijerena vahaolana hoentina hirosoana amin’ny fifidianana ny MMM. Fikaonandoham-pirenena hoenti-manatsara ny rafi-pifidianana anefa fa tsy hoentina hizarana seza ao anaty Fitondrana satria raha ny MMM dia tao anatin’io no nivoaka raha ny nambaran’ny Filohany. Naneho moa ny MMM fa tsy ao anatin’ny vovonana miara-dia sy manohana ny fitondrana ankehitriny intsony. Nilaza ny MMM fa efa nandray anjara tamin’ny fifidianana hatramin’izay, ary vonona handray anjara satria ny tsy manana olom-boafidy aza vonona mainka fa izy ireo izay efa manana isan’ambaratongany. Na izany aza, miombon-kevitra ny MMM fa tokony hapetraka ny lamina fitsipi-dalao mazava ara-pifidianana satria isan’ny lesoka ny tsy nahatanterahan’izany. “Tamin’ny 2017, nisy ny kaomisionina fakan-kevitra niraisan’ny Malagasy, voasolo tena ny antoko politika samihafa, nialohan’ny fifidianana 2018 io, nodinihin’ny samy Malagasy ny zavatra tokony hohatsaraina sy tokony hamboarina amin’ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana: CENI, HCC isan’ny voaresaka tamin’izany. Ny mahavariana dia tsotra, tsy nisy notanterahina izy ireo, ny vokany dia iny fihetsiketsehana tamin’ny 2018 iny notarihin’ny depiote 73 sy ny lalàm-pifidianana nifandroritana. Midika izany fa misy zavatra tsy mety ao anatin’ny fifidianana”, hoy I Hajo Andrianainarivelo. Tsy hizara seza anefa no hatao amin’ny fikaonandoham-pirenena, fa fametrahana fitsipi-dalao mazava amin’ny fifidianana, ary efa tao no niala ka tsy hiverina ao ny MMM, araka ny nambaran’ny Filohany.


MIJERY NY TSIO-DRIVOTRA POLITIKA SY JEOPOLITIKA
Tsy tongatonga ho azy ny fanambaran’ny MMM. Tsara ny mampahatsiahy fa ny 11 martsa 2022 nialohan’ny fanovana governemanta ny 17 martsa no nanambara ny tsy handraisany anjara ao intsony ny MMM, nanambara ihany koa fa miandany amin'i Ukraine sy ireo firenena tandrefana, raha toa ka nisafidy ny tsy hiandany kosa ny Fanjakana. Nisy ny filazana taorian’izay, fa ny fialana tao anaty governemanta no natao, fa mbola manohana sy miara-dia amin’ny fitondrana. Ankehitriny, nilaza mazava fa tapaka tanteraka ny tady, tsy anaty vovonana miara-dia amin’ny fitondrana intsony. Matoa manao an’izay ny MMM, mijery ny tsio-drivotra politika anatiny sy ny jeopolitika, tsy ao intsony ny làlana, ary mety ho rendrika ny sambon’ny volomboasary, ka naleony niala nialoha. Naneho ny ahiahiany momba ny fifidianana ho avy ny Vondrona Eoropeanina amin’ny zavatra maro tokony hohatsaraina, ny tsy fahatokisana loatra ny CENI sy ny HCC, ny mpanohitra niantso fikaonandoham-pirenena hametrahana fitsipi-dalao mazava ara-pifidianana, ary efa mirona amin’izany ny MMM izay avy tao anaty Fitondrana. Tsy tongatonga ho azy izany sary politika sy ara-jeopolitika izany. Manao pi-maso amin’ny Tandrefana sa efa isan’ny olon’ny Tandrefana i Hajo Andrianainarivelo sy ny MMM ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT