Politique

Marcel Razafimahatratra «Mbola hisy harena an-kibon’ny tany hiveloman'ny taranaka ve?»


  • Alarobia 26 Aprily 2023

Mbola hisy harena an-kibon’ny tany na «mines» hiveloman'ny taranaka ho avy ve, hoy ny mpanao politika, mpikatroka MFM, Marcel Razafimahatratra?

Resahana matetika ny «mines» satria nanomboka tamin’ny naha potika ny fizahantany sy fihariana lavanila, taona vitsivitsy lasa izay, hoy izy, dia ny «mines» no mampiditra devizy be indrindra amin’ny toekarena malagasy. 90%-ny vola na «recettes» miditra dia avy amin’ny fitrandrahana vaventy. Ny fitrandrahana volamena sy vatosoa ary vato sarobidy kosa etsy andaniny dia mamelona fianakaviana marobe saingy mijanona ho ''informels" amin’ny ankapobeny. Fa maninona ny fanjakana no tsy mahavita mamadika ny fitrandrahana "madinika" ho velontena maharitra? Ny atao hoe "formel'’ na manara-dalana dia tsy zay manana taratasy mandoa «patente» na hetra fotsiny ihany fa tokony fantarina sy apetraka koa na atao hita ny lalana na «traçabilité» amin’ny asa fihariana mikasika ny volamena na ny vato. Eto Madagasikara dia tsy misy tarehimarika mahakasika ny fivezivezin'ny vola, ny vato na ny volamena manomboka any amin’ny mpangady, mpandanja, ny «patron», ny «boss» ary ny fanjakana. Sao dia izao goragora izao kosa no mety amintsika vahoaka ka mifampihatsara ivelatsihy eto daholo fotsiny? Ny «mines» vaventy ihany asiana fitsipika sy ilàna vaniny fa ny ankoatran'izay dia atao samy mandeha samy mitady? Hiditra eny Tsimbazaza moa ny «projet de code minier» na lalana hifehezana ny harena an-kibon’ny tanyraha ny fahenoana azy ka dia manantena isika fa hisy ny adihevitra mafonja avy amin'ireo izay voakasiky ny fomba itantanana ny "ressources minières" na loharanon-karena eto amintsika. Samia salamà aby, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT