Politique

Marc Tatandraza Ho kandida depiote amin’ny 2024


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Tsy ho very maina ny fandalovako eto an-tany hoy ny Apostoly Marc Tatandraza fa misy dikany.

Manana adidy amin’ny fampandrosoana ny firenena aho hoy izy ary ilain’i Madagasikara indrindra fa ny fanampiana ny mpiara-belona izay tsy misy tambiny. Izany indrindra no nanosika azy hanao fanambarana tetsy Tsimbazaza tamin’ny faran’ny herinandro teo fa ho kandida solombavambahoaka ny tenany amin’ny taona 2024. Any amin’iny Faritr’i Toliara iny no hirotsahany raha araka ny fanazavany ary efa ela izy no niomana tamin’izany. Nambaran’ny Apostoly Tatandraza fa efa vonona tanteraka ny tenany ary tsy hihemotra intsony. Tongotra mby an-dakana ny ahy hoy izy ary efa nosantariko tamin’ny asa be dia be. Nomarihiny fa efa nizara zavatra maimaim-poana maro tamin’ny vahoaka tany Toliara izy izay volany madiodio avy any am-paosiny. Izany no tokony hataon’ny solombavambahoaka namana hoy izy fa tsy variana hiandry fanjakana fotsiny indrindra fa amin’izao fahasahiranana lalina lalovan’ny isan-tokantrano izao. Tsy tokony handiso fanantenana ny vahoaka izy ireny hoy hatrany Apostoly Marc Tatandraza satria solontenam-bahoaka hanampy ireto farany amin’izay maharary azy.
METY MISY AMBADIKA POLITIKA
Tsy adinon’ny Apostoly Marc Tatandraza nandritra izany ny naneho ny heviny mikasika ny doro tanety miseho lava reny eto amintsika. Nambarany fa mety ho sanatria toy ny afobe no hiainantsika eto Madagasikara raha mitohy izao. Mifampiankina tanteraka mantsy hoy izy ny fandripahana ny zava-boahary tahaka izao fandoroana tanindrazana misy eto amintsika izao sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Rehefa tapitra ripaka ny ala sy ny biby hoy hatrany izy dia hiakatra tsy misy toy izany ny hafanan’ny tany izay hifanehitra amin’ny herin’ny masoandro. Miantso ny mpitandro ny filaminana araka izany ny tenany mba hanara-maso akaiky ireo mpandoro tanindrazana ireo. Mety misy ambadika politika izy io hoy izy nefa mety misy olona mahazo tombontsoa amin’izany ihany koa ka tokony hojerena akaiky. Mikasika ny resaka fisamborana azy izay nahoraka be tato ho ato moa dia nambarany fa raharaha efa nidirany tany am-ponja izy ary efa milamina tanteraka ny momba izany.
Pati
Legende : Marc Tatandraza, ho kandida solombavambahoaka any amin’iny Faritra Toliara iny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT