Nitsangana ny « Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara » na ny RMDM, araka ny tapaka nandritra ny fivoriana lehibe teny Ivandry ny alarobia 14 aogositra teo.
Nandritra io no nifidianana izay ho filoha mpitarika ka i Marc Ravalomanana no voafidy, izay heverina fa mifanaraka amin’ny lojika politika eto amin’ny tany sy ny firenena. « Antoko 15 amin'ny 21 no nametraka ny fitokisany tamiko ary raisiko ho voninahitra izany. Manome toky aho fa hikatsaka hatrany izay hampandrosoana ny firenena na aty amin'ny lafiny fanoherana aza no misy antsika”, hoy ny nambarany taorian’io. Anisan’izany ny antoko TIM, HVM, KINTANA, NATIORA, MMV, TAFA, TEZA, VAMI, KMFB, FMDD, PDCM, CFKM, SOLIDE, MMM,… Herivelona iray io izay naneho fa miomana amin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika. Mitaky ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny lalàmpanorenana ka hanajana ny zo ho an’ny mpanohitra, izay mariky ny demokrasia. Hiaro ny fiandrianana sy ny harem-pirenena. Hanao izay ho afany amin’ny fanorenana ifotony ary hitaky sy hametraka ny fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna, hampahatsiahy ny fampanantenana nataon’ny governemanta sy ny fanatanterahana izany sy hanara-maso ny fanapahan-kevitra mety mivaona mankany amin’ny famadihan-tanindrazana. Nilaza ny RMDM fa manameloka tanteraka ny fanaovan’ny governemanta fitaovana ny antenimiera, indrindra ny antenimieram-pirenena hoenti-mamingana ny mpanohitra. Mitaky tsy misy fepetra ny fampiharana ny lalàna 2011-013 tsy misy fikitihana sy fanovana ihany koa izy ireo mba ho fanajana ny tena tany tan-dalàna. Manohitra amin’ny heriny rehetra ny tolo-dalàna 01-2019/PL napetraka teny amin’ny antenimieram-pirenena, izay mikendry ny fanafoanana ny lehiben’ny mpanohitra izay ankatoavin’ny lalàna efa misy. Ny 20 aogositra izao, raha tsy misy ny fiovana no kendrena holaniana eny Tsimbazaza ilay fanovana ny lalàna, saingy ny an’ny mpanohitra no nataony tonga aloha. Anio dia hisy ny fihaonambe etsy amin’ny Hotely Carlton ataon’ny RMDM, izay heverina fa hanamafisana ny zavatra efa tapaka sy hanaovana fanambarana lehibe momba ny tontolon’ny fanoherana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.