Politique

Marc Ravalomanana «Tsy ny toerana no mahamaika, fa ny fiainam-bahoaka»


  • Alatsinainy 07 Novambra 2011

Nitafa mivantana an-tariby avy any Afrika Atsimo tamin´ny vahoakan´i Toamasina, nandritra ny hetsiky ny Rodoben´i Toamasina Atoa Marc Ravalomanana ny sabotsy teo.

 Nandritra izany no nitondrany ny heviny mikasika ny toe-draharaha politika ankehitriny, ka nilazany fa “nanao sonia ny tondrozotra isika ary mankasitraka izany hialana amin´izao fahasahiranan´ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao. Voalaza mazava ao anatin´ny tondrozotra ny fodian´ireo sesitany politika sy ny famoahana ny gadra politika, nefa mandraka ankehitriny tsy mbola misy ny fijerena izany ary tsy mbola laharam-pahamehan’ny praiminisitra vaovao izany, fa adilahy politika ady seza no mahamaika”. Nohamafisin´Atoa Marc Ravalomanana, fa “vokatry ny tsy fiheverana ny tombontsoan´ny Malagasy sy ny tsy fanajana ny sonia ny tondrozotra natao ireo, dia nanapa-kevitra tsy handray anjara ao anatin´ny governemanta izay hatsangana eo ny ankolafy Ravalomanana, ho fanajana ny sonia natao”. Hentitra anefa Atoa Marc Ravalomanana nilaza mazava fa tsy ny ankolafy tarihiny mihitsy no misakana sy ho sakana amin´ny famahana ny krizy, fa ny fampiharana ny tondrozotra nifanaovana sonia sy ny niarahana nanaiky no takiany.

“Tsy ny toerana no mahamaika antsika, fa ny fiainam-bahoaka hilamina amin´ny fampiharana ny tondrozotra ihany”, hoy izy nanamafy. Ankoatra izay, dia nampirisika ny mpiara-dia aminy Atoa Ravalomanana ny tsy hanaiky lembenana ary hanohy ny fitakiana sy ny hetsika atao rehetra, satria “tsy mbola tratra ny tanjona tiana hapetraka handaminana ny raharaham-pirenena araka ny tondrozotra nifanaovan´ny mpanao politika Malagasy sonia”. “Ambarao sy aelezo amin´ny Malagasy rehetra ny vaovao tena marina fa betsaka ny mpandika vilana sy milaza lainga ary ireo fahavalom-pirenena faly amin´ny fahorian´ny Malagasy”, hoy hatrany izy. Ankilan´izay, anisan’ny manohana ny fihaonana eo amin´ny lehiben´ny ankolafy efatra miaraka amin´ireo lehiben´ny vondrona politika nangatahan´ny amiraly Ratsiraka hatao eto Antananarivo mialoha ny 17 novambra koa Atoa Ravalomanana, na tsy nilaza mivantana izany aza izy nandritra ity tafa nataony ity.

Rakoutou

Sary : Liana fatratra tamin'ny kabarin'ny Filoha Ravalomanana ny rehetra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT