Marc Ravalomanana

« Tsy mbola nisy fifidianana feno hosoka sy fandikan-dalàna toa ity »


  • Alarobia 12 Jona 2024

Tsy mbola nisy fifidianana feno hosoka sy fandikan-dalàna tahaka ity satria gaga aho

amin’ny antontan-taratasy sy porofo rehetra izay tonga sy napetraka teny amin’ny HCC omaly, hoy i Marc Ravalomanana isan’ireo mpanao politika niatrika ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy omaly, izay nanamarika fa anisan’ireo nandefasana fanasana ka namaly dia tonga mba ho mariky ny fahalalam-pomba. Tena mahavariana, hoy izy, ny tsy fanarahan-dalàna, ary tena marina ny nambaran’ny mpanara-maso safidy, hoy ny fanamarihany. Nasian’i Marc Ravalomanana teny manokana ny fisian’ireo toerana maro notsidihin’ny filoham-pirenena tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana nisiana propagandy ankolaka. Tsy azony atao mihitsy ny mandeha amin’ireny satria tsy azony afangaro ny asa maha filoham-pirenena azy sy ny andraikitra politika. Nahitsy noho izany i Marc Ravalomanana nilaza fa tsy mbola nisy tahaka ity, raha tsy hilaza afatsy ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana, fanitsakitsahana ny lalàna velona, fa indrindra indrindra indrindra ny fampiasana ny fahefam-panjakana toy ny sefom-pokontany, lehiben’ny distrika, mpampianatra,… Ny tena olana eto Madagasikara dia ny tsy fanajana lalàna ! Matoa izahay manangana ny KMSB (Komity Miaro ny Safidim-Bahoaka) dia mba tena te hanangana tany tan-dalàna, te hanaja ny demokarasia, fanajana tahaka ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana,… Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny lalàna 2018-008 mikasika ny fifidianana, fa indrindra indrindra ny tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, toy ny kajaikajy tamin’ny fanoloana ny sefom-pokontany, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Tahaka izany ihany koa ny filazana ny mpanohitra ho mangala-bato ka diso izany raha tsy manam-pahefana ianao, hoy izy. Ny sefom-pokontany sy ny sefo distrika fehezin’ny minisiteran’ny atitany, ny mpampianatra tena mampalahelo ny nanaovana azy,… Nomarihiny fa 10 na 11 ny mpifidy eto amintsika kanefa tsy voafehy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT