Teny amin’ny toerana misy ny orinasa TIKO teny Tanjombato omaly no nanokafan’ny antoko Tiako i Madagasikara notarihan’ny filoha nasionaliny, Atoa Marc Ravalomanana mivady, ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana senatorialy eto amin’ny Faritanin’Antananarivo
. Nazava ny hafatra avy amin’ny filoha mpanorina ny antoko izay niainga ihany koa tamin’ny hafatra pastoraly nataon’ny pasitera nitondra ny fotoam-pivavahana nanombohana ny fotoana teny an-toerana dia ny hoe “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”, “Hiraka isika ary hidina ifotony isika hanadio sy hanarina ny firenena izay toa lasa toerana fieren-jiolahy tao ho ao”. Fidio ireo ho senaterantsika izay tena vonona hamonjy ny vahoaka lasaka an-katerena miaraka amintsika fa ny firenena manontolo no mila diovina. Mila manana finoana isika voalohany indrindra, hoy ny filoha nasionalin’ny TIM, mba hahavitana zavatra tsara, mila manana fahaiza-mifandray amin’ny hafa na inona na inona fanenjehana misy, mila manana fitiavana hanasoa ny mpiara-belona ary ny fitaovana lehibe indrindra hoentina manatanteraka izany dia ny vavaka fa henjana ny andraikitra hatao.
Mpitondra mitavozavoza
Ankehitriny, hoy izy, dia maivana ny fifandraisantsika amin’ny any ivelany, tsy manana paikady mazava ny mpitondra antsika, tsy manana firaisan-kina. Zava-dehibe anefa ny fifandraisana amin’ny Etazonia, Japon … izay hamelona indray ny fifankatiavan’ny mpiara-belona. Miresaka antsika Malagasy ny Afrikanina, miresaka an’i Marc Ravalomanana. Tsy maintsy hampandrosoantsika i Madagasikara fa mitovy ny fitarainanareo olom-boafidy rehetra : mijaly ny vahoaka, tsy misy ny fandriampahalemana, sarotra ny fiainana, tsy mianatra ny kilonga … Mila fitoniana ity firenena ity hahazoana miroso amin’ny tena fampandrosoana. Ireo no kandidà voafidy ary manaja ny fitsipi-pifehezan’ny antoko. Efa ireo no izy ka manatona ahy izay manana soso-kevitra fa aoka izay ny disadisa madinidinika, hoy i Dada ary aza matahotra fa andao isika hanarina ity firenena ity.
Ireo lisitry ny kandidà TIM Antananarivo
-Ramalason olga Vololonirina (Vakinankaratra);Rakotoarivetiny Charlie (Itasy);Rasoloson Andriatsivolo Gérard (Bongolava);Rabemizana Solo; Rakoto Andrianaina Jaona (Analamanga);Raherinosy Suzy (Reny Diamondra) ; Mamy Mamonjy (mpisolo toerana) ; Jean Pierre Rakotoarivony (mpisolo toerana) ; Ranaivo Razo Feno (mpisolo toerana).
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.