Afaka mivezivezy malalaka eto an-toerana sy any ivelany ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ankehitriny.
Sembantsembanina sy sakanana kosa anefa ny tenany manoloana ny faniriany handray anjara mavitrika amin’ny fanarenana ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy izay efa miaina tanteraka ao anaty lavaka mangitsogitsoky ny fahantrana. Tsy avela sokafana ohatra ny orinasa Tiko, voarara tsy mahazo misokatra ihany koa ny haino aman-jery Mbs. Mipoatra indray ankehitriny ity raharaha tany eny Andohatapenaka mampifanolana an’i Dada amin’ny mpitondra fanjakana mahefa ity. Tsy hanakorontana na hanongam-panjakana ny tenako hoy i Marc Ravalomanana, saingy aoka kosa hifanaja fa tsy hifampitandroka lava izao;manana ny zoko amin’ny maha filoham-pirenena ahy teo aloha aho hoy izy, ny tombontsoako dia ny fananako. Misy lalàna izay efa lalàna velona mihatra eto izay milaza fa ny zoko sy ny tombontsoako dia tsy maintsy averina amiko, hoy i Dada ary tsy maintsy averina amiko avokoa ny fananako na fitaovana io, na tany.Notsindriany mazava tsara fa raha nisy fifanarahana natao tamin’ny tetezamita tsy ara-dalàna dia foana sy tsy manankery izany
Tsy azo hanorenana afa-tsy «abattoir»
«Manam-tompo ny tany eny Andohatapenaka ka tsy ho azo bodoina fotsiny amin’izao», hoy ingahy praiminisitra nampitandrina an-dRamose ary vonona ny hampihatra ny lalàna ho an’ireo izay mandika izany. Am-bava anefa hatreto io fanambarana avy amin’ny lehiben’ny governemanta milaza ny maha an’ny fanjakana io toerana io. Manana porofo ny maha fananan’ny Tiko Agri ny tany ihany koa ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc izay tokony ho nanorenana ny «abattoir» tamin’ny taona 2009, hoy ny mpisolovavan’i Dada. Voasoritra mazava ao anatin’io fifanarahana famindram-pananana io moa fa tsy azo hanorenana fotodrafitrasa hafa ankoatra ny labatoara ity toerana eny Andohatapenaka ity. Fomba amam-panao voalazan’ny lalàna velona eto Madagasikara rahateo ny tsy maintsy ampahafantarana ny tompon’ny tany ny fisian’ny fifampivarotana teo amin’izay nanome alalana azy ho an’ny Seimad, araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny mpahay lalàna mpiaro an’andriamatoa Ravalomanana ny maître Andriamadison Hasina.
Hanamboatra lalana ny Alma
Nitsidika ny toerana misy ny orinasa Asa sy Lalana Malagasy (ALMA) teny Ambohimahitsy indray moa ny filoha mpanorina sy tompon’andraikitra voalohan’ny orinasa Tiko omaly misandratra andro. Nohamafisin’ny filoham-panjakana teo aloha sady mpandraharaha Ravalomanana Marc tamin’io fidinana ifotony io ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana ialana amin’ny fahasahiranana mianjady amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Olana goavana ankehitriny rahateo eto Madagasikara ny sehatry ny fotodrafitrasa indrindra ny lalana ka faniriany ny hampiodina indray ity orinasa Malagasy mpanamboatra làlana afaka mamokatra tara 80 taonina isaky ny ora iray ity.Tsy maintsy amboarina atao tsara ny lalana eto Antananarivo renivohitra hoy izy ary hiara-hiasa amin’ny orinasa Alma ireo mpiara-miombon’antoka alemaina sy afrikanina tatsimo, araka ny fanazavan’ity filoha teo aloha ity hatrany.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.