Politique

Marc Ravalomanana “Tsy isika no ho sakana amin’ny famahana ny krizy”


  • Alatsinainy 14 Novambra 2011

Fantatra fa nanaiky ireo lisitry ny minisitra naterin'ny ankolafy Ravalomanana teny Mahazoarivo tamin'ny alalan'Atoa Mamy Rakotoarivelo ihany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 Nambaran´Atoa Ravalomanana mazava tao Toamasina fa fantany tsara iny lisitra iny, azy izy no niara-namolavola azy iny tamin´ireo ankolafin-kery ireo sy Atoa Mamy Rakotoarivelo. “Efa nisy ny fifampiresahana mazava sy tony ary fanazavana hentitra nifanaovana matoa nivoaka iny lisitra iny, ka tsy tokony hiroaroa saina isika vahoaka Malagasy sy ny mpanara-dia ny ankolafy tarihiko”, hoy Atoa Ravalomanana. Nohamafisiny fa tsy ny ankolafy tarihiny mihitsy no ho sakana amin´ny fampandrosoana an´i Madagasikara na hanakana ny famahana ny krizy. “Natao fotsiny aloha ny fifanazavana noho ny ahiahy tsy ihavanana, ka mazava izany ankehitriny, dia iny nanolotra minisitra iny isika entina hiaraha-mitantana ny tetezamita hialana amin´izao krizy efa mampahantra ny Malagasy izao”, hoy izy. Izay izany ilay hoe : ny hisavorovoroan-kilatoana, araka ny fomba fiteny, satria efa niakatrakatra ihany ny maripana momba iny raharaha iny.

Marihina fa nanolotra kandida minisitra 7 ny ankolafy Ravalomanana dia Atoa sy Rtoa isany, Henri Roger Ranaivoson ho amin'ny toeran'ny praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny, Roland Ravatomanga ho minisitry ny fambolena, Manandafy Rakotonirina natolotra ho minisitry ny toekarena sy ny indostria, Olga Ramalason, izay Ben'ny tanànan'Antsirabe ankihitriny ho minisitry ny varotra sy ny sehatra tsy miankina, Jean Bruno Ramahefarivo ho minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Randrianarivelo Désiré, efa avy filoha nitarika ny Sendikan'ny mpitsara, ho minisitry ny fitsarana ary i Sevamboiny Simon ho minisitry ny serasera, ity farany dia Tale jeneralin'ny ORTM tamin'ny fitondrana Ravalomanana ary Talen’ny kabinetran'ny minisitry ny serasera amin'izao fotoana, Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia. Izay no lisitra avy amin'ny ankolafy Ravalomanana, lisitra ahitana ny olon'ny TIM sy ny MFM fa tsy misy kosa ireo olon'ny TEZA ka nahatonga ity antoko ity nampiaka-peo ny faran'ny herinandro teo.

Tsara homarihana fa ny toeran'ny praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny no mbola ifandroritan’ny ankolafy Ravalomanana sy Monima tarihin'i Monja Roindefo. Ity praiminisitra voalohan'ny FAT ity koa mantsy dia nanolotra ny anarany ho amin'io toerana io. Na eo aza izany, dia nampahatsiahy ny Me Rasamimaka Mahefalahy filoha lefitry ny rodobe Toamasina, fa ny tanjona dia ny fiverenan´ny filoha Marc Ravalomanana sy ny amiraly Didier Ratsiraka an-tanindrazana, na betsaka aza ny sakana atao amin´izy mirahalahy ireo tsy hahatongavany eto. Mazava anefa ny voalazan’ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra izay tsy maintsy tanterahina avy hatrany raha vao mipetraka eo ny governemanta hiaraha-mitantana io, hoy izy.

RTT sy Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT