Politique

Marc Ravalomanana “ Tsy hihafihafy amin’ny zavatra tsy marina isika”


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Taorian’ny tany SAVA sy Sofia, ny faritra Atsinana indray no notsidihin’I Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo.

Nisy ny kongresim-paritry ny Antoko TIM tao amin’ny Magro Tanambao V ny sabotsy lasa teo, fotoana nihaonana sy nihainoany ny marary ny vahoaka avy amin’ireo distrika maro. Fahapotehan’ny làlana, fibodoana tanim-bahoaka, fitotonganan’ny fihariana toy ny sehatry ny lavanila,… Tsy sahaza sy tsy mendrika ny vahoaka Malagasy izao, mandeha ny fanjakan’I Baroa, raha ny nambaran’ity Filoha teo aloha ity. Haintsika ary ho vitantsika io, hanangana firenena vanona isika, manana finoana fa vitantsika io, hoy I Marc Ravalomanana. Nanamafy sy nampahatsiahy moa ity Filoha teo aloha ity fa efa teo amin’ny fitondrana, ka nilazany fa ananany ny fahaiza-manao, tsy nisy tahaka izao tamin’ny fitondrany, ary hainy ny miara-miasa amin’ny mpamatsy vola,… Ara-politika kosa, niantso ny CENI hijery ny lesoka sy ny kitoatoa I Marc Ravalomanana, ary nitondra fampitandremana eo anatrehan’ny mety hisiana teti-dratsy ara-pifidianana. “Dada 2002 ity fa tsy ilay tamin’ny 2018 intsony. Tsy hisalasala ary tsy hihafihafy amin’ny zavatra tsy marina sy tsy ara-dalàna eo. Tamin’ny 2018 dia fantatro fa nandresy aho fa ho fanajana ny andrim-panjakana sy fanomezana hasiny ny fifandimbiasam-toerana, ary noporofoina eran-tany fa tsy haka ny toerana maha Filoha no nahamay ahy. Ampy izay fa ireo hafetsifetsena sy fikasan-dratsy tadiavinareo hatao dia ajanony hatreo”, hoy I Marc Ravalomanana niantso ny mpomba azy ho mailo. Nilaza ny tenany, fa fifidianana madio sy mangarahara no ilaina fa tsy tetezamita, ary tsy tsy hiray petsapetsa amin’izany. Ankoatra ny faritra Atsinanana moa dia niazo an’Alanjirofo tao Fenoarivo Atsinanana ihany koa I Marc Ravalomanana. Nanambara I Marc Ravalomanana fa hanao kongresy nasionaly TIM handravonana ireo hetaheta sy fangatahana ary ny zava-misy hita nandritra ny fisidihana sy kaongresim-paritra samihafa nataon’io Antoko io, ka hiainga amin’izany ny famaritana ny programan’asa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT