Tany Mahajanga i Marc Ravalomanana omaly, ka nisy ny fifampiresahana nifanaovany tamin’ny tanora, ny TIM sy ny DISTIM, ny olona avy any amin’ny faritra, ny ben’ny tanàna,...
Votoatin-dresaka ny hoe : ahoana ihany ny fandehan’ilay hetsika sy zavatra mitranga aty Antananarivo ? Nanazava izy fa hetsiky ny depiote, izay mitaky ny mba hisian’ny fahamarinana io satria iaraha-mahalala fa ny fandaniana azy dia tsy nandeha araka ny tokony ho izy, hoy i Marc Ravalomanana. Firaisankinan’ny depiote io fa tsy misy hidiran’ny antoko TIM mihitsy akory. Momba ny fahitana azy teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey indray, dia namangy fahoriana aho teny, hoy izy. Efa niharan’ny fanonganam-panjakana ny tenany, hoy i Marc Ravalomanana ka tsy hanao izany . Ny atao hoe politika, dia siansa ka arakaraka ny zavatra mitranga no hahafahana manaraka azy, fa tsy hoe izay ilay zavatra mitranga dia maintsy izay, hoy izy. Nahitsy ny teniny: “Izay no mahatonga ahy miteny hoe tsy hidirana, ary niharan’izany aho tamin’ny 2009, fa tsy izaho ary sanatriavin’ny vava aladin’ny lela mihitsy hoe hanongam-panjakana”. Ny momba ny hoe fiarahan’ny TIM sy ny MAPAR, dia samy hafa mihitsy izany satria mizara telo mazava tsara ny rafitry ny firenena, dia ny mpanatanteraka, ny mpanao lalàna, ary ny fitsarana. Fito taona aho no teo, ary fantatro tsara ny tokony hanaovana izany, ka ry zareo ao amin’ny mpanao lalàna no manao hoe tsy ara-dalàna ny fandaniana ny lalàm-pifidianana dia miray hina ry zareo, hoy hatrany i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.