Politique

Marc Ravalomanana “Tsarao sy faizo ireo nanome baiko sy namono olona”


  • Alarobia 31 Aogositra 2022

“Tezitra sy malahelo ny tenako manoloana ny vono olona nitranga tany Ikongo, ary tsy afaka ny hangina satria Malagasy mitovy amiko no niharan’izany.

Manameloka tanteraka ny fampiasan-kery tamin’ireo olona tsy manan-tsiny”, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly. Nitondra ny teny fampiononana ho an’ireo fianankaviana namoy havana sy nirary fahasalamana ho an’ireo namoy ny ainy izy, ary naneho fa hetraketraka sy famonoana mihitsy ireny. Nampahatsiahy ny tenany fa ny tafika sy ny zandary dia natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy ampisaina ho hery famoretana, hiaro ny manam-pahefana, ny havany, ary ny namany. “Lasa fitaovana famoretana sy fampihorohoroana sy ampiasaina amin’ny jadona, hiarovana manam-pehefana ambony, hiarovana olom-bitsy fa tsy hiarovana ny vahoaka anefa izy ireo. Tena miaina anaty krizy sy “terrorisme d’Etat” ny firenena”, hoy I Marc Ravalomanana. Momba ny fandraisana an-tànana ireo maratra ao Ikongo moa dia nambarany fa 23 ny maty raha ny voalaza an-gazety, fa raha ny reko nialohan’ny nidirako teo, dia efa 26 izao, ka isan’ny lesoka ny tsy fahampian’ny fitaovana ara-pitsaboana, hoy hatrany izy. Notsipihiny fa matoa ny olona mitaky fitsaram-bahoaka, dia tsy mahatoky mpitandro filaminana, ny fitsarana izany hoe ny rantsam-mangaikan’ny Fitondram-panjakana. Niantso ny mpitandro ny filaminana hihaino ny feon’ny fieritreretana noho izany I Marc Ravalomanana. Nanainga ny olom-pirenena mahatsiaro ho manana adidy hijoro hanohitra ny tsy rariny mianjady amin’ny mpiara-belona sy ny mpiray tanindrazana ny tenany. Mitaky fitsarana sy famaizana ireo tompon’andraikitra nanome baiko sy ny nanatanteraka iny vono olona feno habibiana iny noho izany ny Filoha teo aloha.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT