Politique

Marc Ravalomanana “Tonga ny fotoana hijoroana hanavotana ny firenena”


  • Talata 13 Desambra 2022

Raha tany Toliara no nanamarihan’ny Filohan’ny Repoblika teo aloha Marc Ravalomanana ny tsingerin-taonany tamin’ny taon-dasa, dia tao Fianarantsoa kosa no nanamarihany izany ny andron’ny omaly 12 desambra 2022. Feno 73 taona omaly i Marc Ravalomanana

izay tsiahivina fa mpandraharaha malaza fantatra tamin’ny fananganany ny orinasa Tiko, niditra tamin’ny politika ka voafidy ho Ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny alalan’ny Fikambanana Tiako Iarivo ny taona 1999. Nirotsaka hofidiana filoham-pirenena ny desambra 2001 ka niofo ho Tiako I Madagasikara ilay Tiako Iarivo. Nisy ny gidragidram-pifidianana rehefa tsy nanaiky ho resy ny Filoha tamin’izany, ka nisian’ny grevy 2002. Ny 6 mey 2002 no nanomboka nitondra an’I Madagasikara i Marc Ravalomanana, izay 51 taona tamin’izany. Niongana anefa izy ny martsa 2009 rehefa nisy ny fanonganam-panjakana notarihin’Atoa Andry Rajoelina, nirotsaka hofidiana ny 2018 saingy nilefitra ihany na nisy aza ny fanehoany fa feno halatra ny fifidianana. Nifanandrify tamin’ny fanaovana ny kongrim-paritry ny Antoko TIM sy ny faha-20 taonan’io Antoko io ny fankalazana ny tsingerin-taonany omaly. Vahoaka maro sy olona sahirana, miisa 2000 mahery avy amin’ireo fokontany rehetra ao amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony no nasainy. Nisy ireo solontena avy amin’ny faritra toa an’Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vatovavy, Fitovinany ary ny avy amin’ny antoko TIM amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Omby 2 no novonoina ho nofon-kena mitam-pihavanana. Nilaza I Marc Ravalomanana, fa tonga amin’izay ny fotoana itenenana, tsy maha maika azy anefa ny hitondra indray, na izany aza, manana vaha olana amin’izao krizy samy hafa. “Ao anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka rehetra, sahirana sy mahantra, very fanahy mbola velona, ny hoanina androany tadiavina rahampitso, atao trosa ny zava-drehetra, lavo ny Malagasy”, hoy I Marc Ravalomanana, izay efa niantso ny rehetra hiray hina sy hijoro fa ho avo 10 heny noho izao ny fahantrana raha tsy mitandrina. Naneho izy fa porofo mitohaka amin’ny tendan’ny fitondrana ireny fametrahana fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombavambahoaka ireny matoa tonga 105 kanefa ny IRD no maro an’isa. Miteny ny depiote maro an’isa hanambara ny ao anatiny fa tsy rariny izao mahazo ny vahoaka izao. Tonga saina ny solombavambvahoaka hoe: aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka, ka tohizo ny adidinareo”, hoy I Marc Ravalomanana, izay naneho fa tsy marin-toerana intsony io fitondrana io, fa ny olony aza efa mitsipaka azy. Tsy milamina ny fikarakarana fifidianana saingy ilaina ny fidirana anatin’ny lisitry ny mpifidy, tsy maintsy hisy foana ny fifidianana, tokony ho mailo sy hanara-maso akaiky izany koa ny mpifidy, hoy ity mpanao politika ity.


Nosoritany fa tena mahay ny Betsileo nefa be fandeferana, nanambara kosa ny solontenan’izy ireo fa tsy hanaiky lembenana sy handefitra intsony ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa sy ny Betsileo, fa hijoro hiaro ny tombotsoany sy ny vahoaka. Nalai-nisaraka i Dada sy i Fianarantsoa, nandritra ny hateloana nitsidihany ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony izao. Nitsodrano azy ho tahinjanahary, haverina ho filohan’ny firenena ny solontenan’ny mpanondrona, ary naneho fa mino sy manantena fa tsy maintsy hipody eo amin’ny fitodrana Ravalomanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT