Feno 74 taona katroka omaly 12 desambra 2023 ny Filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana,
izay nitondra an’i Madagasikara teo anelanelan’ny 2002-2009. Isan’ny nahafantarana an’i Marc Ravalomanana ny maha mpandraharaha azy, nanorina ny orinasa Tiko izay isan’ny nanana ny maha izy azy teto Madagasikara, niditra tamin’ny sehatry ny politika ka voafidy ho ben’ny tanànan’Antananarivo ny taona 1998-1999, lasa filoham-pirenena ny taona 2002,tratry ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, sesin-tany politika, kandida filoham-pirenena tamin’ny 2018 sy 2023,… Ankehitriny, tsy mety milavo lefona i Marc Ravalomanana, na eo aza ny endrika fandemena azy, ka isan’ny fanomezan’ny Fanjakana ho azy sy ny antokony omaly izao ny fanamelohana ny Sekeretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro. Nambarany omaly teny Faravohitra nandritra ny fanamarihana ny tsingerin-taonany niaraka tamin’ny ankohonany, ny Etamazaoro politikan’ny TIM, ireo avy amin’ny fanoherana,… fa mitohy ny tolona ary tsy mihemotra sy tsy manaiky ny teritery ataon’ny fitondrana amin’ny mpanohitra, manohitra ny voka-pifidianana farany teo,... «Ataontsika ahoana ny hanao fifidianana izay fantatra mialoha fa mitanila, ary atao izay hampandresena ny kandidam-panjakana ? Tsy maintsy mitolona isika, hanomana fifidianana vaovao izay tsy mitanila, manaja ny marina, indrindra fa ny demokrasia ary eken’ny rehetra. Noho izany, tsy maintsy maintsy tohizantsika ny tolona satria Madagasikara ho an’ny Malagasy ary ny Malagasy dia tompon’i Madagasikara fa tsy havelantsika homena olona hafa izany i Madagasikara raha mbola izaho koa no izaho, ary raha mbola ianareo ihany koa no ianareo », hoy i Marc Ravalomanana. Nambaran’ity Filoha teo aloha ity, fa natao fanahy iniana mihitsy ny hoe : ny andron’ny omaly no nanadihadiana ara-pitsarana ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, ary teo ihany koa moa ny fanamelohana ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro. Mandefitra manana ny rariny ny Malagasy raha toa ka manaiky an’izany, kanefa tokony hifoha sy hijoro isika ao anatin’ny fanenjehana sy fanagejana izay mihatra amintsika amin’izao fotoana izao, ary raha mbola misy ny farany dia tsy ho foana ny fanantenana, ary ny zavatra rehefa no avelan’Andriamanitra hiseho fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa, hoy io Filoham-pirenena teo aloha io, izay maneho fa tsy milavo lefona ary tsy manary fanantenana amin’ny politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.