Politique

Marc Ravalomanana “Tena hanao aho, vonona ny mpiara-miombon’antoka”


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Nihaona tamin’ireo mpanohana azy mila ravinahitra any Paris ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy 22 jolay teo.

Fotoana nanamafisany ny maha kandida Filoham-pirenena azy indray, ka namoaboasany ny fandaharan’asany. Isan’ireo tazana nandritra ny diany tany Paris, Frantsa ireo kandida Filoham-pirenena tamin’ny 2018 izay nanohana azy tamin’ny fihodinana faharoa dia Atoa Serge Imbeh Jovial sy Fanirisoa Ernaivo. Nandritra io no nilazan’I Marc Ravalomanana indray, fa miaina tanteraka ao anaty fahasahiranana ny vahoaka, mitombo ny tahan’ny fahantrana, mitombo ny tahan’ny tsy fandriampahalemana, tsy tomombana ny fampianarana, mitombo ny very asa sy tsy an’asa, tsy misy jiro sy rano, atao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, mitombo ny kolikoly sy ny halatra bevava. Raha fintinina iraim-bava, hoy izy, ny fitetezana an’I Madagasikara nahitana faritra 19, dia miteny ny vahoaka hoe: “Potika ny firenentsika, latsaka an-katerena, latsaka lalina, maizina ny hoavin’ny taranaka fara aman-dimy ka mila anao izahay Dada”. Tsy mendrika an’izao ny Malagasy, tsy mendrika izao fomba itondrana azy izao. Manampy trotraka ny fahalovan’I Madagasikara ny halatra sy fanaovana tantely afa-drakotra ny Jirama. Raha tsy voavaha haingana ny jirama sy ny tontolon’ny angovo, dia tsy hisy fampandrosoana vanona, hoy I Marc Ravalomanana. Nilaza noho izany izy, fa niresaka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpandraharaha fa mila vola, fiaraha-miasa, nampiseho ny fandaharan’asa MAP Plus,… Nambaran’I Marc Ravalomanana fa ao anatin’ny 100 andro dia tsy maintsy hiezaka hampisakafo ny Malagasy satria betsaka no tsy mihinan-kanina antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. “Hitady izay fomba ahitana ny “filet de sécurité” rehetra na avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena io na FMI io Vondrona Eoropeanina na Frantsay,… Tsy maintsy homena asa ireo olona izay homena sakafo, ka làlana faharoa ao anatin’ny 100 andro dia ny famoronan’asa ho an’ny tanora sy ny tsy an’asa”, hoy ity Filoha teo aloha ity. Notsipihiny, fa tsy maintsy homena herinaratra ahafahany miasa sy mamokatra, mba hanana fidiram-bola fa tsy hoe: homena vola foana. Nilaza fa isan’ny vain-dohan-draharaha ny hanarina ny Jirama. Zava-dehibe hoy I Marc Ravalomanana ny ho fanampian’ny iraisam-pirenena ny Jirama, ka hanapaka tanteraka ny fifandraisana sy fitantanana tsy manjary ao, fa tsy maintsy velomina ny Jirama. Nilaza ho niresaka tamin’ny mpiara-miombon’antoka matanjaka izay tsy notononony moa I Marc Ravalomanana, ary azo antoka fa tena hanao ireo, hoy izy. Niresaka tamin’ny Quai d’Orsay (ministeran’ny raharaham-bahiny Frantsay) ihany koa nandritra ity diany ity. Aorian’ny tany Paris, dia milaza ny handeha ho any Washington, Etazonia indray ity Filoha teo aloha ity, izay naneho fa matoa miteny an’izany dia tena hanao, ary mahalala ny zavatra ilain’ny mponina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT