Politique

Marc Ravalomanana tao Antsirabe “Tokony ho efa rava io governemanta io !”


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2011

Mbola nanamafy ny voalazany tamin’ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety tao Antanananrivo ny filoha Ravalomanana raha nitafa tamin’ny Vahoakan’Antsirabe ny sabotsy 01 oktobra teo ary notsipihiny fa tsy maintsy tanterahana izay voalazan’ny tondrozotra nosoniavina ny 17 septambra farany teo raha tena te hiverina marina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana FAT.

 Nomarihiny koa fa tokony ho efa nametra-pialana ny Governemanta taorian’iny sonia iny ary efa tsy manan-kery intsony io governemanta Vital io raha ny tondrozotra. Nanamafy ny tenany fa tsy maintsy ho avy ary tsy matahotra izay fanenjehana azy ara-pitsarana izany satria mahatsapa ny tenany fa tsy meloka ary nohamafisiny ihany koa fa andraikitry ny SADC ny fiarovana azy. Nolazainy ihany koa fa navadik’i Joaquim Chissano sy Tomaz Salamao ny asa nampanaovina azy ireo, araka ny tatitry ny Troika, ka efa niaiky izany ireto iraka ireto tamin’ireo naniraka azy.

Nanamarika hoy izy ny Troika fa tsy azon’ny mpitandro filaminana malagasy ve ny teny nanoratana ilay tondrozotra sa tsia ka hita fa “mahamenatra ihany ny filazana fa handefa komando ho aty Afrika Atsimo hisambotra ahy”, hoy izy. Ny tondrozotra izay voasonia farany teo hoy Atoa Marc Ravalomanana no hiaingan’ny fananganana ny tetezamita tena izy ary dikan’izany dia tsy misy lanjany intsony ny didy fampisamborana nivoaka tao alohan’iny tondrozotra iny. Ho avy tsy ho ela ny sampan’ny SADC eto Madagasikara hanaraka amin’ny antsipirihany ny fanantotosana iny tondrozotra iny ka aorian’izay ny fanomanana ny fifidianana vao miverina ny famatsiam-bola fa aoka tsy ho fitahina ny Malagasy. Nankahery ireo mpitolona tsy ho kivy moa ny filoha ary namerina hatrany fa miha antomotra ny fahatongavany eto Madagasikara.

 

Caius R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT