Politique

Marc Ravalomanana Tampina ny daomy ?


  • Zoma 11 Novambra 2011

Mikorontana ny tany aman-danitra ho an'ireo mpitolona maherifo eny amin'ny Magro hatry ny omaly alina manoloana ny vaovao misafotofoto ihany momba ny ankolafy Ravalomanana.

 Nanatitra ny anaran'ireo kandida minisitra niaraka tamin'ny ankolafy Zafy sy ny Monima an'i Monja Roindefo mantsy omaly Atoa Mamy Rakotoarivelo, lehiben'ny delegasion'ny ankolafy Ravalomanana ary nanasonia ilay sori-dalana. Ora vitsy taorian'io anefa dia nivoaka indray ny vaovao iray milaza fa “tsy manaiky izany Atoa Ravalomanana”, ity farany izay efa nilaza rahateo fa tsy mbola miditra ao anaty governemanta aloha raha tsy tanteraka ireo fepetra rehetra voalazan'ny sori-dalana tahaka ny famoahana ny gadra politika sy ny fiverenan'ireo sesitany politika an-kalalahana eto Madagasikara ary ny famohana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT, fitakiana nohamafisin’ireo gadra politika 2009 nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao Bel’Air ny alarobia teo. Rtoa Naika Eliane aza moa omaly nilaza fa “an’ireo izany !”, raha nanontaniana ny heviny mikasika iny fanolorana lisitra ho minisitra teny Mahazoarivo iny.

“Ahoana no iarahana miasa nefa andaniny, ireo namana mbola any am-ponja, ary ankilany, ireo sesitany politika, indrindra ny filoha Marc Ravalomanana, mbola any ivelany”, hoy hatrany i Naika Eliane. Ity farany izay mangataka fihaonana tamin’i Omer Beriziky, fa tsy mbola namaly ingahy praiminisitra. Tsy hita intsony araka izany, izay arahana sy ekena, ho an'ireo mpitolona eny amin'ny Magro. I Dada mbola tavela any Afrika Atsimo ve sa ireo lohandohan'ny mpisorona amin'ny ankolafy Ravalomanana eto an-toerana izay hita fa vonona ny hiditra anaty governemanta ?Dia sanatria ve izany tampina ny daomy ho an'Atoa Ravalomanana ?

Taorian'iny tranga omaly iny sy ny zavatra hafa niseho tamin'ity herinandro ity dia maro ireo mpandinika ny raharaha politika eto Madagasikara no mahita fa fomba mihaja nanilihana an'i Marc Ravalomanana izao fihetsiketsehana rehetra izao. Voalohany indrindra aloha dia tsy tafody eto Madagasikara izy. Mizara ny ankolafy tarihany, mody fanina aminy ny Troikan'ny Sadc, ary ny FAT sy ny Frantsay moa dia efa mazava fa tsy mila azy miverina eto intsony. Etsy ankilan'izay dia mihetsiketsika mafy ry Yves Aimé Rakotoarison sy ny tariny amin'ny fandresen-dahatra ny olon'ny Tiako i Madagasikara fa vitan'izy ireo ny mampandeha sy mampandroso ity antoko ity na dia tsy eto aza i Dada. Tsara homarihana anefa fa mivoatra ny toe-draharaha politika ary maro ihany ny zavatra mety mbola hiova. Fa mandra-piandry izay tena marina aloha dia mbola miteraka resabe sy adihevitra iny fanolorana anarana omaly tolakandro iny ary azo antoka fa tsy maintsy hamela takaitra ao anatin'ny ankolafy Ravalomanana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT