Politique

Marc Ravalomanana “Samia mailo, ananantsika ny vahaolana”


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2022

Ny tanjona, ny fanaraha-maso ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy eny amin’ny fokontany. Tena andraikitra lehibe izany satria na inona na inona ataontsika ka tsy tafiditra isika sy ny namantsika,

dia naman’ny miasa maina. Na inona na inona atao, ka tsy jerena tsara ny “doublon”, dia miasa maina ka niantso ny mpomba azy ho mailo tanteraka i Marc Ravalomanana. Mitaky hatrany ny fanavaozana tanteraka ny Vaomiera misahana ny CENI sy HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mba tsy hisian’ilay hoe: “azo raisina fa tsy mitombina i Marc Ravalomanana sy ny TIM. Tsy tokony hahavoa intsony koa samia mailo mailo mailo, hoy hatrany izy. “Na ny mpamatsy vola aza manitrikitrika mamoaka soso-kevitra sy toromarika fa io vaomiera momba ny fifidianana io tokony ho mahaleotena kanefa tsy izay no misy fa miankina sy miandry baiko”, hoy i Marc Ravalomanana. Nangataka sy niantso ny herivelona sy ny firaisamonim-pirenena rehetra hiray feo amin’ny fikaonandoham-pirenena ny tenany, izay nanamarika fa tao Toamasina herintaona lasa izay no efa nanombohany niantsoany an’io.
EFA NANANAKO ARY MBOLA ANANAKO NY VAHAOLANA
Naneho hatrany i Marc Ravalomanana fa ananany ny fahaiza-manao hanarenana an’i Madagasikara. Rehefa manao soa ho an’ny namanao sy ny mpiray tanindrazana aminao dia izay ilay hoe: ny soa atao levenam-bola, hoy izy. “Tena niezaka aho, ary niasa niaraka isika, tena nisy zavatra natao teto. Rehefa vita ny fianianana teny Mahamasina, ny natao voalohany indrindra dia ny fanentanana ny rehetra hiray hina, samy nandray ny andraikitra, nifampiraharaha tamin’ny mpamatsy vola, nifampiraharaha tamin’ny tantsaha, nifampiraharaha tamin’ny adminisitera sivily mba tena hiandraikitra ny asa satria izy ireo no lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana eny amin’ny distrika. Tsy maintsy natao ny fanomezana “kits scolaires” fitaovana manontolo nahafahan’ny ankizy nianatra, nandefa tanora isan-taona nianatra tany Etazonia nahatratra 175”, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Ny resaka angovon’ny jirama, naka manam-pahaizana manokana tamin’izany. Ny fitantanana mahomby na “bonne gouvernance”, izay tsy nananan-kavana ny ady tamin’ny kolikoly, ka nipetraka ilay izy, hoy ity Filoha teo aloha ity. Porofon’izany ny nananganana ny “Ecole de la magistrature” tamin’izany, ka tsy nisy tamin’izany ny fitsarana hoe: tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, tonga taty mihitsy ireo manam-pahaizana avy any ivelany sy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny firenena Mikambana tahaka an’i Koffi Annan. Manana vahaolana isika, fa mailo, manome fanantenana ny vahoaka aho fa manana vahaolana, ary miverina tahaka izao daholo ireo, hoy izy nandritra ny fanehoana an-tsary ny tantara sy ny zava-bitany sy ny antokony nandritra ny 7 taona teo amin’ny fitondrana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT