Politique

Marc Ravalomanana Nolanian’ny depiote TIM ho lehiben’ny mpanohitra


  • Alarobia 21 Aogositra 2019

I Marc Ravalomanana no nofidian’ireo depiote miisa 16 lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ho lehiben’ny mpanohitra, araka ny fifidianana notontosaina teny amin’ny foiben’ny TIM eny Ankadivato ny 19 aogositra teo.

 

 

 Natrehina sy nohamarinin’ny vadintany ny fanatanterahana ary narahina fitanana an-tsoratra ara-panjakana io fifidianana io, ka lany tao anatin’ny firaisan-kevitra manontolon’ireo depiote ireo (Unanimité) ho filohan’ny mpanohitra eto Madagasikara i Marc Ravalomanana. Nohamafisin’ny vadintany Andriatsima Ravelo Heriniaina ao anatin’io fitanana an-tsoratra io fa araka ny lalàmpanorenana sy ny lalàna N°2011-013 tamin’ny 9 septambara 2011 izany. Nohamarininy ihany koa ny maha antoko mpanohitra ny TIM, izay manana ilay taratasy ara-panjakana na “récépissé” laharana 13-MID/SG/DGAT/DAT/SLPAP tamin’ny 15 jolay 2019. Na misy aza ny fanisihana ao anatin’ilay volavolan-dalàna hoenti-manova ny lalàna 2011-013 fa tokony ho parlemantera no lehiben’ny mpanohitra haka ny toerana filoha lefitra faha-7 ao Tsimbazaza sy hitarika ny fanoherana eto Madagasikara dia ny an’ny Depiote TIM, izay manana ny fahefana feno hifidy izany ao amin’ny antenimiera no nataony tonga aloha ka i Marc Ravalomanana, izay efa neken’ny antoko mpahohitra miisa 21 ho filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM) rahateo. Hatolotra ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rtoa Christine Razanamahasoa io voka-pifidianana nataon’ny Vondrona Parlemantera TIM ahitana depiote 16 io, hanamafisana fa i Marc Ravalomanana lehiben’ny mpanohitra eto Madagasikara. Nisy omaly ny fivoriana notarihin’i Marc Ravalomanana sy ireo filoha lefitra miampy ireo sekretera jeneraly ao anatin’ny RMDM. Herivelona amin'ny fiainam-pirenena ary handray anjara feno amin'ny fampandrosoana ny firenena ny Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny Demokrasia eto Madagasikara, ka nametraka ny lamina rehetra toy ny fitsipika anatiny sy ny sata mifehy azy ny ahafahany manatanteraka tsy misy andraso andraso ny asa fampandrosoana eo amin'ny toerana sy ny sehatra misy azy, hoy ny fanazavana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT