Nofy ratsy ho an’ny FAT mihitsy Atoa Marc Ravalomanana araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy.
Tsy maintsy misy ifandraisany foana amin’ny fanakanana ny fodian’io filoha teo aloha io mantsy ny fanapahan-kevitry ny ao ambonimbony ao. Nihazakazahana ny fitsarana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2009 raha vao tonga teo amin’ny ftitondrana i Andry Rajoelina ary ny aogositra 2009 ihany dia navoaka ilay didy. Nolazaina fa nanodinkodina volam-panjakana sy nampamono olona tamin’ny 7 febroary 2009 ity filoha teo aloa ity. Dia nifanesisesy nanambara ireo mpanohana ny FAT fa tsy mahazo famotsoran-keloka i Marc Ravalomanana satria tompon’andraikitra voalohany tamin’ny famonoan’olona teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009. Araka ny filazan’izy ireo ihany dia tena ilay antsoina hoe : “crime de sang” sy “crime contre l’humanité” izay melohan’ny fitsarana iraisam-pirenena ary tsy afaka mahazo famotsoran-keloka mihitsy no nataon’Atoa Ravalomanana
. Tsara ho fantatra anefa fa amin’ny toe-draharaha tahaka izany dia fitsarana manokana no atsangana, tahaka ny natao tany Yougoslavie teo aloha (Tribunal pénal international pour l’ex-Yougoslavie ), Rwanda (Tribunal Pénal International pour le Rwanda ) na ny fitsarana iraisam-pirenena mihitsy no mandray an-tanana ny raharaha, tahaka ny natao tamin’i Slobodan Milosevic, ilay jeneraly Serba nambara fa nampamono sy nandringana (nanao génocide) ireo Silamo tany Srebrenica sy ny filoha Liberianina teo aloha, Charles Tylor. Miaraka amin’ny fanadihadiana iraisam-pirenena lalina izany rehetra izany, izay vao mivoaka ny didy manameloka ilay olona na vondron’olona.
Raha ny marina dia tsy manan-kery eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy ny didy momba an’Atoa Ravalomanana avoaky ny fitsarana malagasy tamin’ny 2009 satria mibaribary fa fitsarana politika mbola tao anatina savorovoro. Midika avy hatrany izany fa tsy mila famotsoran-keloka akory ny filoha Marc Ravalomanana ka afaka mody malalaka eto. Rehefa tafapetraka tsara ny rafitra ara-pitsarana mahefa dia azo averina ny fitsarana azy raha toa ka misy marina ny zavatra mampiahiahy tamin’ny nataony fony izy filoham-pirenena, ary tokony hampiharina amin’ny mpitondra tetezamita koa izany satria maromaro ihany ny afera maizina maha voatonontonona anarana mitondra ambony tato anatin’ny telo taona izao. Dia ho hita eo indray ny ho fihetsiky ny FAT satria tena kihon-dalana iray goavana amin’ny famahana ny krizy ny amin’ity herinandro ity ary hahafantarana ny tena marina amin’izay ny amin’ireo fanontaniana tsy nahitam-baliny mazava hatramin’izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.