Politique

Marc Ravalomanana « Minisitra mandalo ianao ary fantatray fa tsy ianao no nanoratra… »


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Ankoatra ny nilazany fa nisy ny fikotrehana birao fandatsaham-bato sy fokontany matoatoa, dia misy ihany koa, hoy I Marc Ravalomanana, ny fampivoriana ireo sefom-pokontany,

ka omena iraka manokana I “Mme Simone” Tale Jeneralin’ny Atitany. Matoa aho miteny an’izany aminareo sy mampandre ny vahoaka Malagasy, dia tsy matahotra satria marina; misy ihany koa fampivoriana sefom-pokontany mba hanao iraka manokana momba ny hala-bato, hoy izy. Nolazainy fa io Mme Simone io DGI no mampanao izany, ary izy mihitsy no mitety faritra manerana an’I Madagasikara. Efa mandefa tatitra any aminy ny mpiara-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany, ary milaza ireo fa sahy hijoro amin’ny fahamarinan’izany rehefa tonga ny fotoana, raha ny nambaran’I Marc Ravalomana. Io madama io, hoy izy, no manao ny iraka rehetra, ary matoa izaho Marc Ravalomanana no miteny an’izany, manana ny sata manokana aho, Filoha teo aloha, mahalala ny zavatra tokony hotenenina,“Homme d’Etat” aho no miteny an’izany, ary matoa ireo namany ireo no miteny an’izany, ireo fokontany ireo no miteny aminay hoe: efa tsy te hanao izahay fa dia mahazo tsiny. Isika manenjika foana ny CENI, fa ny ao amin’ny Minisiteran’ny atitany no maniraka olona mihitsy, ary aza manody ny mahazo ireo Prefe sy Lehiben’ny distria satria baiko, hoy I Marc Ravalomanana. Mikasika ny tenin’ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin fa tsy mahazo mivory an-kalamanjana, dia ataoko aiza ireto olona ireto, hoy izy. Nahitsy nilaza tamin’io Minisitra io. “Mbola minisitra fotsiny mandalo ianao, ary fantatro, fantatray, azoko ny vaovao fa tsy ianao no nanoratra an’iny fa voatery ianao, olona hafa no nanao an’iny”, hoy I Marc Ravalomanana. Mariky ny fiakaran’ny ahiahy politika ara-pifidianana itony ampamoakan’ny mpanao politika itony, ary manomboka misy ihany koa no tonga saina fa tsy tokony hatao sorona amin’ny fifidianana maloto intsony ny firenena, fa aleo ny vahoaka hifidy izay tena mendrika hitondra azy. Andrasana ihany koa anefa izay mety ho setriny avy amin’ny olom-panjakana na minisitera voatonona eo anatrehan’ity ampamoaka ara-politika heverina fa tsy azo hamaivanina ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT