Politique

Marc Ravalomanana “Mila mifampiresaka izaho sy Rajoelina”


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Nanao ny tatitry ny diany tany Bruxelles sy Allemangne i Marc Ravalomanana omaly takariva teny Bel’Air, niresahany ny fihaonany tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mombana lafin-javatra maro na ara-politika na ara-pampandrosoana.

 

 

 Efa voahosotra ho mpitarika politika mendrika indrindra taty Afrika ny taona 2017 izy ary resy lahatra ny iraisam-pirenena, fa i Marc Ravalomanana no mendrika maka ny toeran’ny filohan’ny mpanohitra eto Madagasikara, hametraka antsika ho maodely amin’ny demokrasia sy ny fampanjakana ny tany tan-dalàna eto Afrika satria efa mari-pandrefesana izany ireny fanekeny ny voka-pifidianana filoha ireny na nisy aza ny tsy rariny.

Vonona hanampy saingy…

Vonona ny  Iraisam-pirenena hanampy sy hanohana hatrany an’i Madagasikara, kanefa mila mipetraka eto aloha ny tena demokrasia sy ny fifampatokisana, indrindra ny fitoniana ara-politika. Tao anatin’ny iray taona mantsy dia tena lasa niha mahantra ny Malagasy, nitotongana ny sandam-bola, ary tsy mahatoky ny mpampiasa vola fa mitondra ny volany any ivelany noho ny tahotra tsy fitoniana. Mila mifampiresaka izy sy ny filoha am-perinasa Andry Rajoelina ary miandry an’izay ny sehatra iraisam-pirenena, kanefa in-telo na in’efatra nangataka fihaonana i Marc Ravalomanana no nolavina ary mahalala izany ny sehatra iraisam-pirenena. Ny 2 jolay dia nisy ny fifampiresahana tamin’ny masoivoho Frantsay Véronique Vouland-Aneini, izay nitatitra ny resaka avy any amin’ny fanjakana, ka nivoitra tao anatin’izay fa eken’ny filoham-pirenena ny hisian’ny mpanohitra fa tsy ekeny kosa ny hoe i Marc Ravalomanana no Filohany.

Mila mangarahara

Ny lalàna efa nankatoavina (promulgué) ka didy fampiharana sisa kanefa hitadiavana hevitra hamboamboarina, izay nahataitra ny iraisam-pirenena io. Nilaza kosa i Marc Ravalomanana fa na inona na inona hotenenina dia izy no lehiben’ny mpanohitra. Horesahina ato ho ato ny famatsiam-bolan’ny FED (Fonds Européen de Développement) andiany faha-12, ka anisan’ny mason-tsivana hahafaha-manome izany ny fanjakana ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia.   Tsy ny vola no tsy misy fa ny fitantanana no mila mangarahara, ary nanome toky ny tsy hisian’ny familiviliana ny fanampiana avy any ivelany ny tenany ary miandry fifampiresahana satria izay mahasoa ny firenena no katsahina fa tsy resaka toerana. Maro ny azo, hoy izy, toy ny resaka teknolojia izay ahafaha-mitantana ny firenena, ny angovo, ny fanabeazana izay azo atao ny mandefa ny ankizy hiofana any ivelany 18 volana eo ho eo, ny fandriampahalemana … saingy mila hatsangana sy aorina aloha ny fifampatokisana.

 

 Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT