Politique

Marc Ravalomanana “Miaritra kely sisa fa tsy ho ela aho dia hody”


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Tao anatin’ny herinandro telo nifanesy izao dia tsy nitsahatra niditra an-tariby mivantana mampahafantatra ny vahoaka any Alaotra, indrindra ny ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka ny fivoaran’ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ny filoha Marc Ravalomanana.

 Nandritra ny hetsika nokarakarain’ny Vondron’olon-tsotra (VOT) tany Ambatondrazaka ny alahady tolakandro teo, tao amin’ny tany malalaka Antanifotsy no nanamafisany indray fa tsy maintsy mody an-tanindrazana izy ary mody tsy misy fepetra. Efa mizotra araka izay iheverana azy ankehitriny ny ezaka fikatsahana vahaolana ataon’ny SADC sy ny TROIKA ka miaritra kely sisa ny vahoaka Malagasy. Ny vahoaka rehetra izay antenainy fa mbola miandry sy maniry ny fiverenany.

Manafaingana ny fampodiana ireo sesitany politika ny andraikitra efa raisin’ny SADC ka tsy tokony hiroaroa saina intsony ny vahoaka. Hiarahantsika mahalala, hoy izy, fa efa lava dia lava izay fotoana nisian’ny fahasahiranana ara-politika izay, izay niteraka ny fahasahiranana isan-tokantrano sy isam-baravarana, eny hatramin’ny fianaran’ny ankizy aza. Matoky aho, hoy ny filoha Marc Ravalomanana fa Andriamanitra momba antsika. Fisaorana ny Malagasy rehetra amin’ny fananana faharetana tao anatin’izay roa taona sy tapany izay no namaranany ny teniny. Nomarihany moa fa na dia somary sahirana aza izy tamin’iny herinandro iny noho ny tsy maintsy nandehanany namonjy fivoriana iray tany ivelany tany dia zava-dehibe ho azy ny mitafa mivantana amin’ny vahoaka ao anatin’ny Vondron’olon-tsotra.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT