Namoaka fanambarana ofisialy omaly hariva ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana ka niantso ny filoham-pirenena am-perinasa Hery Rajaonarimampianina sy ireo mpikambana eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mba samy handray ny andraikitr’izy ireo avy ho fampitsaharana ny fanosihosena ny lalampanorenana sy ho fanakanana ny fijoroana fanjakana jiolahimboto eto.
Mila mitandro ny fiasa sy fihodin’ny andrim-panjakana misy ny filoham-pirenena, hoy izy. Izany no atao dia mba hisorohana ny mety fiampangana azy noho ny fahadisoana goavana manoloana ny firenena. Miantso ny tsirairay mba hihaino ny feon’ny fieritreretany i Marc Ravalomanana manoloana ireo tranga maro samihafa niseho izay nanipika mazava fa mampiahiahy ny fandaniana ny lalàm-pifidianana teny amin’ny antenimieram-pirenena farany teo noho ny tranga maro samihafa izay tena hafahafa. Nosinganiny manokana ny fivoriana andiana solombavambahoaka teny amin’ny hotely Le Paon d’Or izay azo raisina ho porofo fa nisy ny teny midina nomena ireo olom-boafidy ireo. Teo ihany koa ny fidiran’ny mpitandro ny filaminana tao anatin’ny trano fivorian’ny antenimieram-pirenena izay miendrika tsindry bokotra mialoha ny tsangan-tanana nifidianana ny lalàm-pifidianana. Mampiahiahy ihany koa ny fihetsiky ny filohan’ny antenimieram-pirenena tsy nanaiky nandray ireo fanitsiana natao nandritra ny asam-baomiera, izay mifanohitra tanteraka amin’ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena, hoy izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.