Politique

Marc Ravalomanana Miantso fifamelana sy fiombonana


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Endrika iray ao anatin’ny firenena Malagasy ny kaominina Antananarivo Renivohitra izay mampiseho fa mendrika sy sahaza azy ny fandraisana an’ny Papa, ka tsy ho mena-mitahy amin’ny firenen-kafa isika, hoy ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Marc Ravalomanana.

 

 

 Asehoy fa soa iombonan’ny Malagasy rehetra i Antananarivo, hoy izy nanome toromarika ireo mpiasan’ny kaominina omaly.  Efa samy nanao izay anjarany sy izay vitany daholo na ny mpitondra fanjakana na ny kaominina amin'ny fiomanana amin'ny fandraisana ny Papa, na koa ny mpitondra teo aloha nanasa azy ho avy eto Madagasikara, koa midika fiombonana izany ary iray ihany ny Malagasy na dia samy manana ny finoany aza. Nomarihiny fa misy ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny fanjakana foibe amin’ny fandraisana ny Papa. Manentana ny mponin'Antananarivo izy amin'ny fahaizana mandray vahiny na ny Papa na ireo Malagasy avy any amin'ny faritra, ka hifanome tanana amin’ny fampiantranoana. Mila miray hina tsara, mahay mifamindra fo sy mifamela heloka, indrindra manao ny asa ao anatin’ny fanetren-tena fa tsy mizahozaho. Samy nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana avokoa isika rehetra, hoy i Marc Ravalomanana. Anisan’ny renivohitra mahantra indrindra eto ambonin’ny tany Antananarivo. Tany Bruxelle aho dia nanontany ny tompon’andraikitra voalohany hoe: inona no mahatonga izany fa tao anatin’ny herintaona monja dia tena hita ho nitotongana ny fari-piainan’ny Malagasy ? Rehefa tena nijery sy nandinika aho, dia ny tsy fisian’ny firaisankina, lasa tia fifanenjehana, hanjakan’ny fifankahalana,… Maniry ny rehetra hanao araka izay azo atao fa tena fahasoavana lehibe ary tena zava-dehibe satria manantena fiovana lehibe eto amin’ny firenena isika. Hisy ny hafatra hataon’ny Papa ho an’ny rehetra, ny mpitondra ihany koa. Izaho ihany koa dia handefa hafatra any aminy ary maniry mba tena hirotsaka amin’ity firenena ity ny tsodranon’Andriamanitra. Hanao izay azo atao isika mianakavy, koa samia manana tsirim-panantenana. Tsapako, tsapantsika fa tena sahirana ny vahoaka, kanefa na inona na inona zava-misy dia hain’Andriamanitra izay hahasoa antsika, koa manana finoana, aza matahotra fa minoa fotsiny ihany, hoy i Marc Ravalomanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT