Marc Ravalomanana

«Mialà ny Filoha na ny PM rehefa tsy mahavita ny andraikiny »


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Eo anatrehan’ny hirosoan’ny Praiminisitra ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na ny

PGE ka namoahan’ny Fanjakana didim-panjakana miantso ny antenimiera hivory ara-potoana ny 9 aogositra sy ny 12 aogositra, namoaka fanambarana miresaka teboka maromaro ny mpanohitra tamin’ny alalan’i Marc Ravalomanana. Nampahatsiahy io Filohan’ny fanoherana io fa ny Filohan’ny Repoblika no mamaritra sy manapaka eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta ny PGE, araka ny andininy faha-55 amin’ny lalàmpanorenana. Atolotra 30 andro aorian’ny fanendrena ny Praiminisitra io raha ny voalazan’ny andininy faha-99 amin’ny lalàmpanorenana. Araka ireo, dia eo anivon’ny filankevitry ny governemanta no hamaritana sy hanapahan’ny Praiminisitra ny fandaharan’asa hanatanterahana ny PGE izay hatolony ny parlemanta, ka Praiminisitra sy Minisitra voatendry ara-dalàna sy manana fahefana feno no afaka manao ny antsoina hoe : « Filankevitry ny governemanta ». Nahitsy noho izany i Marc Ravalomanana tao anatin’ny taratasy nataony nilaza fa efa nametra-pialana ny governemanta ary neken’ny Filoham-pirenena tamin’ny 10 jolay izany, ary tsy mbola nisy voatendry afatsy ny Praiminisitra. Vokany, tsy manana fahefana feno afatsy fampandehanan-draharaha andavanandro na « expédition des affaires courantes » ireo minisitra. Ampangain’ny fanoherana ho mandika lalàmpanorenana noho izany programan’asa ho fanatanterahana ny PGE raha tsy tapahana eo anivon’ny filankevitry ny governemanta notendrena ara-dalàna, ka tokony ho voatendry alohan’ny 9 aogositra ny governemanta hanapaka izany fandaharan’asa izany. Nanamafy ny efa nambarany ny sabotsy teo i Marc Ravalomanana, ka nilaza fa efa fanaovana tsinontsinona ny Malagasy sy famotehana ny Firenena ny tsy fametrahana governemanta feno sy ara-dalàna efa ho 7 volana izao. Mbola mitohy indray aty amin’ny fandaharan’asa hanatanterahana ny PGE. Voafaritry ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana fa andraikitry ny Filoha no manendry ireo mpikamban’ny governemanta amin’ny alalan’ny fanolorana ataon’ny Praiminisitra ka tsy nahavita nanolotra hotendrena ve ny Praiminisitra sa ny Filoha non tsy mety manendry ? Tsy nitsitry i Marc Ravalomanana naneho tao anatin’ny fanambarany, fa tokony hametra-pialana rehefa tsy mahavita ny andraikiny na ny Filoha na ny Praiminisitra.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT