Mbola misy adidy apetrak’Andriamanitra amintsika matoa isika
nomen’izao tombon’andro izao, hoy ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM, Marc Ravalomanana. Toy ny mpirahalahy mianala isika, hoy izy. Mifankahita eny ihany any anaty ala any. Haka fahefana no tanjona sy antom-pisian’ny RMDM. 21 isa teo, fara fahakeliny, ny antoko niara-nanangana azy. Na tsy nitovy aza ny hevitra tamin’izany dia niezaka isika nifandrindra sy nifandefitra. Tsy nihemotra tamin’ny fampitahorana sy fanenjehana nitranga. Tonga ny fotoana! Aza matahotra, minoa fotsiny ihany! Tsy nandray anjara isika tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo satria tsy voahaja ny voalazan’ny lalàmpanorenana mikasika ny fisiana kandida tsy mizaka zom-pirenena malagasy nefa nekena handray anjara. Hamafisina fa tsy hanaiky tsy ara-dalàna isika fa mitaky ny fanajana lalàna ary mitaky ny fitandremana toy ny anak’andriamaso ny lalàmpanorenana. Mbola tsy vita ny tolontsika. Hamafisintsika hatrany fa tsy ara-dalàna ny fifidianana nisy ary tsy ekentsika ny vokatra nataony. Tanjona ny hoe Madagasikara ho an’ny malagasy ary malagasy ho an’i Madagasikara. Tena faly aho miaraka aminareo. Politika no ataontsika ka tsy maintsy manana faharetana isika. Mbola tsy tapitra ny tolona. Zava-dehibe ny firaisankina. Vao nivory izahay firaisankinan’ny kandida ny alakamisy teo ka ho tohizana ny firaisankinanay. Eo am-pandaminana azy izahay izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.